♦ Manamafy ny fanentanana ireo maniry ny ho kandidà ben'ny tanàna ny CENI mba tsy hiandry ny fotoana farany amin'ny fanaterana taratasy eny anivon'ny OVEC... ♦ Hentitra ny fiarovana ny taratasim-panadinan'ireo mpiadina ho mpandraharaha ny fonja miisa 9.284. Fifaninanana lavitry ny kolikoly no tanjona, hoy ny tale jeneralin'ny ENAP... ♦ Misolo tena ny filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina amin'ny fivoriamben'ny firenena mikambana izay tanterahana manomboka anio any New York, ny Praiministra Ntsay Christiana... ♦ Nampitandrina amin'ny mety hisian'ny Tsunami any amin'ireo nosikely manakaiky an'i Tokyo ny fitondrana japoney, taorian'ny horohoron-tany nahatratra 5,6 Richter...
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Galasia (Gal. 1, 6-12)
Ry kristianina havana, gaga aho raha dia mivadika faingana toy izany ianareo,
ka ilay niantso anareo ho amin’ny fahasoavan’i Jesoa Kristy
dia ialanareo hanatona Evanjely hafa indray.
Tsy dia hoe misy Evanjely hafa akory anie,
fa ny Evanjelin’i Kristy ihany no tadiavin’ny sasany hovana,
mba hampitabataba anareo fotsiny!
Fa na ny tenanay, na Anjely avy any an-danitra aza,
ka mitory Evanjely hafa noho izay efa notorìnay taminareo,
dia aoka ho voaozona izy.
Efa voalazanay taloha izany, sady mbola averiko indray ankehitriny,
fa raha misy olona mitory aminareo Evanjely hafa noho izay noraisinareo,
dia aoka ho voaozona izy.
Ary ankehitriny, olombelona ve no ilako sitraka sa Andriamanitra?
Moa ny hamalifaly ny olombelona va no kendreko?
Raha mbola mila sitraka amin’olombelona koa aho, dia tsy mpanompon’i Kristy akory.
Ampahafantariko anareo, ry kristianina havana,
fa ny Evanjely izay notorìko taminareo, dia tsy mba avy amin’olombelona;
fa tsy tamin’olombelona no nandraisako na nianarako azy,
fa tamin’ny fanambaran’i Jesoa Kristy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo 110, 1-2. 7-8. 9 sy 10d
Izaho midera ny Tompo amin’ny foko tontolo
am-pivorian’ny olo-marina sy am-piangonam-be!
Lehibe ny Asan’ny Tompo
mampisaina izay rehetra tia Azy.
Rariny sy hitsiny ny Asan’ny Tanany;
mahatoky avokoa ny lahany:
mafy orina mandrakizay alaovalo,
vita amim-pahamarinana sy hitsiny.
Nandefa fanavotana tamin’ny vahoakany Izy,
sy nanorina ny fanekeny ho mandrakizay.
Masina sy mahatahotra ny Anarany.
Maharitra mandrakizay ny fiderana Azy.
Aleloia. Aleloia.
Izay mitandrina ny didin’i Kristy, no manana ny fitiavana an’Andriamanitra lavorary ao aminy tokoa.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 25-37)
Tamin’izany andro izany,
nisy mpampiana-dalàna nitsangana haka fanahy an’i Jesoa, ka nanao taminy hoe:
“Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?”
Ary namaly izy ka nanao hoe:
“Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra,
sy ny fanahinao rehetra, sy ny herinao rehetra, ary ny sainao rehetra,
ary ny namanao tahaka ny tenanao.”
Dia hoy i Jesoa taminy:
“Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao.”
Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe:
“Iza àry no namako?”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikao,
azon’ny jiolahy, ka nendahany ny lambany, nokapohiny ny tenany
ary saika maty vao navelany.
Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy,
nefa nandalo ihany.
Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy,
ka nangoraka nony nahita azy.
Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy,
vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranombahiny ka nitsabo azy.
Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe:
‘Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny,
dia honerako rahefa miverina aho.’
Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?”
Dia hoy ilay mpampiana-dalàna:
“Ilay niantra azy.”
Ary hoy i Jesoa taminy:
“Mandehana àry ka manaova toy izany koa.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Jenezy (Jen. 2, 18-24)
Hoy ny Tompo Andriamanitra:
“Tsy tsara raha irery ny olona; fa hanaovako mpanampy azy mitovy aminy izy”.
Ary ny Tompo Andriamanitra,
izay efa namorona tamin’ny tany ny biby rehetra eny an-tsaha
sy ny vorona rehetra eny amin’ny habakabaka,
dia nampiavy azy hankeo amin’i Adama mba hahitany izay hanononany azy avy,
hitondran’ny zava-manana aina rehetra ny anarana homen’i Adama azy avy.
Dia nomen’i Adama anarana avokoa ny biby fiompy rehetra,
mbamin’ny vorona eny amin’ny habakabaka sy ny biby eny an-tsaha,
nefa tsy hitany izay ho mpanampy an’i Adama mitovy aminy.
Ka nataon’ny Tompo Andriamanitra renoky ny torimaso i Adama, dia natory;
ary nalainy ny taolan-tehezany anankiray, fa nofo no nakombony ho solony.
Ny taolan-tehezana nalain’ny Tompo Andriamanitra tamin’i Adama
dia namoronany vehivavy iray, ka nentiny teo amin’i Adama.
Ary hoy i Adama:
“Amin’izao, ity no taolana avy amin’ny taolako, sy nofo avy amin’ny nofoko.
Hantsoina hoe vehivavy izy (isha),
satria nalaina avy tamin’ny lehilahy (ish)”.
Noho izany, handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy ka hikambana amin’ny vadiny;
ary ho nofo iray ihany izy ireo.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 127, 1-2. 3. 4-5. 6
Sambatra izay rehetra matahotra ny Tompo,
izay mizotra feizay amin’ny lalany.
Eny, ahazoanao tombontsoa ny asanao:
hasambarana moa ny anao!
Ny vadinao: foto-boaloboka mahavokatra
ao anivon-tranonao;
ny zanakao solofon’ôliva
manodidina ny latabatrao.
Izany tokoa no fitahiana
ny lehilahy matahotra ny Tompo!
Avy ao Siôna anie ny Tompo
hitahy anao hatrany:
hahitanao ny hasambaran’i Jerosalema
amin’ny andro rehetra hiainanao.
Sy hahitanao ny zanaky ny zanakao.
Ho eo amin’i Israely anie ny fiadanana!
Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio (Heb. 2, 9-11)
Ry kristianina havana,
Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa,
no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany;
fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana
mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy.
Fa mendrika an’ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra,
izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra,
ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo.
Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra,
na ny manamasina na ny hamasinina,
hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teny voalazanao, Ianao no manana ny teny fiainana mandrakizay.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 10, 2-16)
Tamin’izany andro izany,
nanatona an’i Jesoa ny Farisianina mba haka fanahy Azy ka nanontany hoe:
“Mahazo misao-bady va ny lehilahy?”
Ary izao no navaliny azy ireo:
“Ahoana no nandidian’i Môizy anareo?”
Dia hoy izy:
“Nomen’i Môizy alalana hanao taratasy fisaoram-bady sy hisao-bady ny lehilahy”.
Fa hoy kosa i Jesoa:
“Ny hamafin’ny fonareo no nanoratany izany didy izany ho anareo.
Fa tamin’ny niandohan’izao tontolo izao,
dia lehilahy iray sy vehivavy iray ihany no nataon’Andriamanitra;
noho izany dia handao ny ray aman-dreniny ny lehilahy, ka hikambana amin’ny vadiny,
ary ho nofo iray ihany izy roroa;
koa tsy roa intsony izy, fa nofo iray ihany.
Koa aoka izay nakamban’Andriamanitra tsy hosarahin’olombelona”.
Nony mby tao an-trano,
dia nanontany ny amin’izany indray ny mpianany, ka hoy Izy taminy:
“Na iza na iza misaotra ny vadiny ka mampakatra vehivavy hafa,
dia mijangajanga mandika ny lalàm-panambadiana;
ary raha ny vavy koa no misaotra ny lahy ka manambady hafa dia mijangajanga”.
Ary nisy nitondra zazakely maromaro mba hametrahany tanana,
nefa notenenin’ny mpianatra mafy ireo nitondra;
ka tezitra i Jesoa nony nahita izany sady nanao taminy hoe:
“Avelao hanatona Ahy ny zaza, fa aza raranareo,
satria ny toa azy no hanana ny fanjakan’Andriamanitra.
Lazaiko marina aminareo fa na iza na iza
tsy mandray ny fanjakan’ny lanitra tahaka ny zazakely
dia tsy hiditra any”.
Dia nofihininy izy ireo, sy nametrahany tanana, ary notsofiny rano.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Ny Rasavôlana dia lahabolana mampisongadina ny fahaiza-mihaino, mandahan-teny, ary mba hananan'ny olona faharetana. Manana ny toerany eo amin'ny fiaraha-monina ny Rasavôlana, mampitombo ny fifampitokisana sy ny firaisan-kina. Ny "Rasavôlana" dia lahabolana fanaon'ny faritra afovoany atsinanana sy ny atsinanan'ny nosy, izany hoe mampiavaka an'ireo Sihanaka, Bezanozano, Betsimisaraka. Ny voambolana "Rasavôlana" dia avy amin'ny teny roa "Rasa" + "Vôlana", izay midika ho fizarana fitenenana...
♦ Nisafidy ny hanolotra anarana hafa ho kandidà ben'ny tanàna ao Antananarivo renivohitra ny TIM tohanan'ny Firaisan-kina, taorian'ny tsy fahafahan'Andriamatoa Ravalomanana Marc hirotsa-kofidiana... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy i Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka omaly ny fanadihadiana MICS-7 momba izany... ♦ Mihamafy hatrany ny olana sedrain'ny mpanjifa amin'ny famatsiana rano sy jiro. Mbola hitohy ny fanapahana jiro mifandimby... ♦ Manao ranolava ny antso amin'ny tokony hisian'ny dinika haingana manoloana ny fifanafihana eo amin'ny Hezbollah ao Liban sy ny fanjakàna israeliana...
Izy Andriamanitra dia miteny ny tsara avy aminy, ary hitany ihany koa fa tsara izany, porofon'izany dia Izy Andriamanitra mihitsy no nahatsapa izany fahatsarana izany tamin'ny famaranana ny asa fahariana. Nanome tso-drano manokana ny olombelona Andriamanitra tamin'ny tantaran'ny fahariana izay manaporofo fa sarobidy eo imasony ka afaka hizaka ny zava-boahary ny olombelona.... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
♦ Hampitomboina ny fotodrafitr'asa hanofanana ny tanora Malagasy. Hisy lalam-piofanana vaovao, mifanaraka amin'ny filan'ny tsenan'ny asa, ihany koa hosokafana, raha ny nambaran'ny Ministry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak'asa... ♦ Hanana antontan'isa vaovao momba ny toe-piainan'ny ankizy sy ny vehivavy isika eto Madagasikara amin'ny taona ho avy. Natomboka andraony teny amin'ny Carlton Anosy ny fanadiahadiana momba izany...
♦ Entanina ny mpino rehetra eto Madagasikara, hivavaka ho an'ny dingana fanandratrana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Isan'ny fikambanan-drelijiozy eo ambany fiarovan'i Masina Maria niseho tany Lasalety, ny fikambanana Missionnaires de la Sainte Famille, ka nentin'izy ireo nanamarihana ny faha-178 taona nisehoan'i Masina Maria tany an-tendrombohitr'i Lasalety, tamin'ny 19 septambra 2024, dia nisy ny fandraisana voadin'ny frera miisa fito, sy fanavaozana voady nataon'ny frefra 28 ao amin'ny fikambanana...
♦ Fanadinana handraisana mpandraharahan'ny fonja : Efa ampanomanana ny fitsarana ireo antontan-taratasin'ny mpiadina niatrika ny fifaninana ny tompon'andraikitra, mpiadina 600 isa no horaisina tamin'ireo 9.000 isa nandray anjara... ♦ Tanterahina ny 26 hatramin'ny 29 septambra ho avy izao eny amin'ny Kianjan'ny Barea Mahamasina ny andiany faha-efatra amin'ny hetsika tsenaben'ny hazandrano... ♦ Vonona hiatrika ny vanim-potoam-pahavaratra 2024-2025 ny birao nasiônaly misahana ny loza sy ny tandindon-doza na ny BNGRC taorian'ny fiofanana notanterahina teto Antananarivo sy Toamasina... ♦ Nahatsiaro sy nankasitraka ny asan'ny raim-pianakaviana iray mpiaro ny tontolo iainana tany Honduras, maty nisy namono ny Papa François...
♦ Tsy nahazo rariny teo anivon'ny Fitsaràna miady amin'ny Fanjakàna ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, nolavina mantsy ny fitoriana napetrany mahakasika ny fandavan'ny CENI ny fahafahany mirotsaka ho fidiana ben'ny tanàna an'Antananarivo Renivohitra... ♦ Olan'ny famatsiana rano avy amin'ny JIRAMA : Faritra maro ao an-drenivohitra no tsy nisitraka rano efa ho amam-bolana, tafakatra 3.000Ariary ny iray daba mavo amin'ny rano raha ny fitarainan'ny mpanjifa... ♦ Miaramila 3 mirahalahy avy amin'ny bataillon RECAMP voatendry namita hiraka tany amin'ny Silaka manokana mpandamina na ny DSS Behara, Distrika Antanimora-Atsimo no lavon'ny dahalo ny sabotsy 21 septambra teo...
Araka ny voasoratra ao amin'ny Jenezy dia mitso-drano mandrakariva Andriamanitra, nanomboka tamin'ny fahariana ani'izao tontolo izao izany ; nitso-drano ny voahary rehetra Izy na ny olombelona na ny biby, mba hitombo hanerana ny tany. Nitso-drano ny olombelona izy mba hizaka ny voahary, ary nampianatra ny olombelona mba hitso-drano ihany koa... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.
Alahady faha-25 mandavantaona - B : Ny fialonana mandrava fitiavana, ny fanetren-tena ahavitana soa ; Ny ondriko mihaino ny feoko, hoy ny Tompo; Izaho mahalala azy, ary izy manaraka Ahy. Ny boky ny Fahendrena dia mitondra fampianarana mba hijoro hatrany amin'ny maha mpivavaka na dia eo aza ny fanenjehana sy ny fitsapana maro. Misy fiavahana ny fisainana sy ny fomba fiainan'ny mpino sy ny tsy mpino : manelingelina ny tsy mpino ny fitondran-tena sy ny fiainan'ireo mpino, tian'iretsy voalohany ho tsapaina sy fongorina. Ny mpino dia mila maneho ny finoana ary mangina manoloana ny fandrabirabiana ary mila mijanona amin'ny fahatokisana an'Andriamanitra.; mijoro hatrany ary tsy mandao ny marina...
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco