15 marsa — I Masimbavy Louise de Marillac dia teraka tao Paris ny 11 aogositra 1591. Zanak'i Louis de Marillac izy, andriana ny raibeny, Guillaume II de Marillac. Mbola kely izy dia efa nobeazina tany amin'ny trano fitokana-monina ka tany no nahalalany an'Andriamanitra, tany no nahaizany namaky teny sy nanaoratra, tany ihany koa no nahaizany ny hoso-doko.
14 marsa — Teraka ny taona 890 i Masimbavy Mathilde, taranak'andriana ny reniny ary fanta-daza tao Ringelheim tao Saxe ny fianakaviany. Dietrich no anaran-drainy ary i Reinhild no reniny. Notezain'ny renibeny tany amin'ny trano fitokana-monina tao Erfurt i Mathilde.
13 marsa — I Rodrigue dia pretra espagnol, teraka tao Cabra akaikin'i Cordoue Espagne. Nohamasinina ho pretra izy ka natao miafina ny fanamasinana azy satria mbola nobaboin'ny Sarrasins ny toerana nisy azy ireo tamin'izany fotoana izany.
12 marsa — Mety ho gaga ianao fa matetika miverimberina ny anarana hoe Grégoire. Maro tokoa ireo olomasina mitondra ny anarana hoe Grégoire fa amin'ity andro anio ity dia i Grégoire Lehibe na ny papa Grégoire le Grand no ankalazain'ny Fiangonana.
11 marsa — I Masimbavy Rosine dia martiry mpanirery tany amin'ny taonjato voalohany tany. Najaina tany Souabe nanomboka tamin'ny taonjato faha-14 izy io ary mpiaro ny tananan'i Wendlingen ao Allemagne.
10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.
28 febroary — Zanak'olona fanta-daza tamin'ny fahamendrehana i Romain sy Lupicin. Mpirahalahy iray tampo izy ireo ary teraka tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra.
27 febroary — Isan'ireo mponina antsoina hoe "Gaulois" i Honorine ary niaina tamin'ny faraparan'ny taonjato fahatelo. Maty martiry tamin'ny taona 303 izy ary natsipy tao amin'ny reniranon'i Seine ny fatiny.
26 febroary — I Nestor dia eveka maty martiry tamin'ny taona 251. Tao Magydos i Nestor no nitory ny Vaovao Mahafaly, Turquie amin'izao fotoana izao io toerana io. Ny Amperora Dèce no najaka tamin'izany ary maro ireo kristianina novonoina nandritra ny nanjakany ny taona 249 hatramin'ny 251.
25 febroary — Samy avy ao amin'ny Fikambanana salezianina i Luigi Versgila sy i Callisto Caravario ary anisan'ireo martiry 120 tao Chine.
24 febroary — Ny Modeste resahana etoana dia ilay eveka tao Trèves tao Rhénanie any amin'ny faritr'i Allemagne tamin'ny taonjato fahadimy, vanim-potoana nanjakan'i Clovis, mpanjakan'ny Francs.
23 febroary — I Polycarpe dia eveka tao Smyrne nandritra ny taona maro ary maty martiry. Niaina teo anelanelan'ny taona 80 hatramin'ny taona 167 izy. Ny tantarany no tranainy indrindra aorian'ny tantaran'i Masindahy Étienne raha ireo martiry no resahana ary ny fety fahatsiarovana azy no vaninandro nankalazaina voalohany fahiny.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco