Arahabaina isika mianakavy nahatratra izao taona vaovao izao. Enga anie ity taona ity hitondra hafaliana sy fiadanam-po ary indrindra mba hampanjakantsika mianakavy ny rariny sy histiny eo amin'ny fiaraha-monina. Fa ankalazaina amin'izao fiandohan'ny taona izao i Masina Maria Renin'Andriamanitra. Arahabaina manokana ireo arovan'izany Renin'Andriamanitra izany.

Herinandro ao aorian'ny nahaterahan'ny Mpamonjy no hankalazana ny fetin'i Masina Maria Renin'Andriamanitra, io ilay antsoina amin'ny teny latina hoe: "In octava nativis Domini" na havaloana aorian'ny nahaterahan'ny Tompo. Ny Konsily tao Éphèse tamin'ny taona 431 no nilaza ny fampianaram-pinoana momba ny "théotokos" (Θεοτόκος), izany hoe i "Maria niteraka an'Andriamanitra" satria tena Zanak'Andriamanitra no naterany, olona faharoa ao amin'ny Trinite Masina izay tonga nofo tao an-kibony sarobidy nanomboka tamin'ny fotoana nilazan'ny Anjely fa hiteraka zazalahy izy.

Ny 01 janoary ihany koa dia natokan'ny Fiangonana hankalazana ny andron'ny Fiadanana. Isan-taona ny Papa Ray masina dia mamoaka hafatra hanentanana ny Fiangonana maneran-tany mba handray anjara ny isam-batan'olona amin'ny fampanjariana izany Fiadanana izany. Ka tsy misy hanavahana fa samy tompon'andraikitra ny tsirairay eo amin'ny fianakaviana, eo amin'ny asa sahanina, eo amin'ny fiaraha-monina misy azy hampanjary an'izany Fiadanana izany. Satria i Kristy, Ilay nirahan'Andriamanitra tety an-tany mba hitondra Fiadanana ho antsika olombelona.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 10 aogositra 2026

• Tontosa omaly ny fanamasinana ho pretra ireo diakra mirahalahy, avy amin'ny Fikambanana Saleziana Don Bosco... • Hotontosaina manomboka ny 16 hatramin'ny 23 aogositra 2026 ny Zaikabe sy ny Fivoriamben'ny Fanilon'i Madagasikara... • Hanatanteraka Famangiana Apostolika any France ny Papa Léon XIV, ny 25 hatramin'ny 28 septambra 2026...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...