16 jolay — Tsaroana amin’ity andro ity i Marie-Madeleine Postel. Mpanorina ny fikambanana ny Soeurs des Ecoles chrétiennes de la Miséricorde izy io ka ny 1500 amin’ireo relijiozin’ny fikambanana dia mitondra ny anarany.

[audio src="/images/sounds/saint-20200716.mp3" background="#0099ffff"]

Teraka tao Barfleur ny taona 1756 i Marie-Madeleine Postel. Tao aorian’ny fianarana nataony tao amin’ny bénédictines de Valognes dia nanorina sekoly izy ny 1774 ary nisy ihany koa kilasy mandry izay nandraisana mpianatra maro. Nanampy ireo pretra izy, nandritra ny revolisionina, tamin’ny fanaovana ny Sorona Masina miafina ary izy irery no nahazo alalana hizara kômonio ho an’ny marary.

Ny taona 1807 nankany Cherbourg izy mba hanorina fikambanana relijiozy hanabe ny zazavavy. Nandray ny anarana hoe Marie-Madeleine tamin’izay izy, raha Julie no anarany teo aloha, ary nitantana ny fikambanana mandram-pahafatiny teo amin’ny faha 90 taonany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...