20 jolay — I Masindahy Apollinaire resahana eto dia ilay avy any Antioche. Mpianatr’i Masindahy Pierre tamin’ny taonjato voalohany. Nohamasinina ho evaka tao Roma izy io dia nalefan’i Masindahy Piera tany Ravenne mba hitory ny finoana kristianina.

Ny asa nataony voalohany tamin’ny fahatongavany tao amin’io tanana io moa dia ny fanasitranana ny mason’ilay zanaka miaramila niangaviany mba hampiantrano azy. Ary andro vitsy tao aorian’io dia nanasitrana vehivavy iray ihany koa izay tratry ny aretina tsy nahitam-panafana i Apollinaire. Maro ny olona nibebaka noho izany asany izany ka nampiroborobo ny finoana kristianina tao amin’izany tanana izany. Nisy nitory tamin’ny governora izay mpanompo sampy i Apollinaire fa hoe nitory an’i Jesoa Kristy, ary mankahala an’i Jupiter. Nampijaliana noho izany àry i Apollinaire, rehefa notoranina dia nalefa noroahina hiala ny tanana.

Rehefa nivoaka ny tanana izy dia nampiantra teo amin’ireo tanana manodidina ka niverina tao Ravenne indray fotoana fohy tao aorian’izay ka nitoetra tao amin’ny tranon’Andriana iray izay niangavy azy mba hanasitrana ny zanany vavy efa ambavahaonan’ny fahafatesana. Efa teo am-pialana aina ilay zazavavy no tonga i Apollinaire, ary nitalaho tamin’Andriamanitra sy nanao hoe : “Amin’ny anaran’i Kristy, Razazavavy mitsangana ary ambarao fa tsy misy Andriamanitra hafa noho Izy”. Nitsangana ilay tovovavy ary niantsoantso hoe : “Eny, ny Andriamanitr’i Apollinaire ihany no Andriamanitra marina”. Tao aorian’izay moa dia nihoatra ny telon-jato ireo mpanompo sampy nibebaka sy nandray ny batemy noho ny modely nasehon’ilay tovovavy sy ny rainy.

Nenjehina indray ary ny kristianina tao Ravenne tao aorian’izay ary niatrika fitsarana indray i Apollinaire. Vao mainka nohamafisiny ny fijoroana ho vavolombelona sy ny fanazavana ny misterin’ny finoana. Nampijaliana izy noho izany, nokapohina, nodorana tao anaty menaka mahamay, tsy nomena hanina tany an-trano maizina fa Andriamanitra namahana azy tamin’ny alalan’ireo anjely. Nalefa sesitany tany Illyrie indray àry i Apollinaire. Tany izy, afaka nitory teny, afaka nitory ny finoana tamin’ireo vahoaka tao amin’izany tanana izany sy nanapariaka ny Vaovao Mahafaly. Fa tao aorian’izay dia nisy indray ny fanenjehana ka niverina tany Ravenne izy. Ny taona 87 faran’ny fiainan’i Apollinaire teto an-tany dia nanehoany tamin’ireo mpanenjika tamin’ny alalan’ny vavaka ny fandrodanana ny tempolin’i Apollon sy ny nampahiratany ny mason’ny zanaka lahin’ny mpitsara azy. Maro ireo mpanompo sampy no nibebaka tamin’izany fa nihamafy ihany koa ny fanenjehana ka nahatonga an’i Apollinaire ho maty martiry.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 29 aprily 2024

♦ Nanatanteraka fivoriana fikatsahana ny fampandehanana ny asa pastôraly, ireo kômity mpitantana ny Vikaria Betsiboka, ny faran'ny herinandro teo... ♦ Nanatanteraka hetsika maro sosona ny Aumônerie Catholique Universitaire an'ny Arsidiôsezin'Antsiranana izay ao antin'ny faha-40 taona nijoroany... ♦ Hitsidika an'i Madagasikara ireo Equipe Notre-Dame avy atsy amin'ny nosy La Réunion, ny 12 mey 2024. Fanirian'izy ireo ny hampahafantatra sy hampijoro izany eto Madagasikara...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...