Ny fibebahan'i Masindahy Paoly no ankalazaina ny 25 janoary. I Masindahy Paoly dia Jody avy amin'ny fokon'i Benjamina. Teraka tao Tarse (Cilicie), nifanerasera tamin'ny Grika ary niaina tao anatin'ny fanjakana romana. Tsy nianatra afa-tsy haisoratra izy tao amin'ny sekoly tao Tarse. Avy eo nankany Jerosalema nandranto fianarana tao amin'ny sekolin'i Gamaliel.

I Masindahy François de Sales no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 24 janoary toa izao. Teraka ny 21 aogositra 1567 tao Savoie avarat'i Annecy i François de Sales. Miaramila tao amin'ny tafika mpiaro an'i François Voalohany mpanjakan'i France ny rainy ary i Françoise Sionnaz no reniny.

I Masimbavy Émérentienne na Émérance no tsaroan'ny Fiangonana rehefa 23 janoary. Niaina tamin'ny taonjato fahefatra i Émérentienne, andevo izy, zanak'ilay mpitaiza an'i Masimbavy Agnès. Nibebaka ho kristianina izy noho ny fahitany fiainan'i Agnès izay noraisiny ho toy ny rahavaviny mihitsy. Olona irey ihany moa no nampinono azy mirahavavy ireto.

I Laura Vicuña, Olontsambatra no tsaroana ny 22 janoary. Teraka tao Santiago (Chili) ny 05 aprily 1891 i Laura Carmen Vicuña. Miaramila ny rainy, mpanjaitra kosa ny reniny Mercedes Pino no anarany. Vao teraka kely i Laura dia tsy maintsy nifindra monina tany Temuco izy mianakavy.

I Masimbavy Agnès de Rome no tsaroana rehefa 21 janoary. Teraka ny taona 290 tao Roma i Masimbavy Agnès. Teo amin'ny faha-12 taonany izy no nandà ny fangatahana azy ho vady nataon'ny zanaky ny Péfet tao Roma. Tamin'io fangatahana io mantsy dia nambaran'i Agnès fa efa manana fofombady izy, ary ambony kokoa noho ity zanaky ny Préfet ity.

I Masindahy Fabien sy i Masindahy Sébastien no tsaroana ny 20 janoary. I Masindahy Sébastien dia teraka tao Narbonne tamin'ny taonjato fahatelo ary anisan'ny niady mafy niaro ny Fiangonana Katôlika Romana. I Fabien kosa dia evekan'i Roma.

Ankalazain'ny Fiangonana ny 19 janoary i Masindahy Maris. Olomanan-kaja avy any Perse i Masindahy Maris, niaina tamin'ny taonjato fahatelo izy. Nibebaka ho kristianina izy ary nanaraka azy koa ny ankohonany dia tsy iza izany fa i Marthe vadiny sy ny zanany roalahy dia i Audifax sy i Abacum.

I Masimbavy Prisca no tsaroana ny 18 janoary. Niaina tamin'ny taonjato voalohany i Prisca, zanak'andriana izy io. Teo amin'ny faha-13 taonany izy no nenjehina fa hoe kristianina. Ny Amperora Claudius no nanjaka tamin'izany ary nanenjika ny fivavahana kristianina.

Masindahy Antoine, ilay mpanirery no tsaroana ny 17 janoary. Teraka tany Egypte i Masindahy Antoine, niaina tamin'ny taona 251 izy ka hatramin'ny 356. Nampalaza an'i Antoine ny fampihaonana ireo olona nanirery tamin'ny fitsipi-piainana iombonana tany amin'izany toerana izany. Nahazo fanabeazana kristianina lalim-paka tamin'ny fianakaviany izy.

Romanina i Marcel izay ankalazaina ny 16 janoary, ary voafidy ho papa tamin'ny 21 mey 308 izy handimby an'i Masindahy Marcellin, papa maty martiry roa volana talohan'io daty io. Ny Amperora Maxence no teo amin'ny fanjakana tamin'izay. Rehefa teo amin'ny Fiketraha masina i Marcel dia tsy nohadinoiny ny herim-po sy ny toe-panahy mendrika notahafiny tamin'ilay nodimbiasany.

Teraka tao Cerny-en-Laonnois, tao anatin'ny fiaraha-monina gallo-romaine, tokony ho tamin'ny taona 437 i Remi. Emile, Comte tao Laon no rainy ary i Masimbavy Céline no reniny. Tia vavaka sy matahotra an'Andriamanitra tokoa ity fianakaviana ity.

I Masindahy Hilaire de Poitiers no tsaroana amin'izao 13 janoary izao. Teraka tao Aquitaine ny taona 310 i Masindahy Hilaire, mpanompo sampy ny fianakaviany ary taranak'andriana gallo-romain izy. Araka ireo tahirin-kevitra amin'ireo asa sorany, rehefa nitady ny marina izy ka nifanerasera tamin'ny Baiboly dia nibebaka ka nangataka hatao batemy ny taona 345.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...