19 jolay — Voalaza fa tao Roma no teraka i Arsène. Lasa diakra izy ary avy eo voatendry ho précepteur ny zanaky ny amperora Théodose I, tao amin’ny lapa tao Constantinople araka ny fangatahan’ny papa Damase I, izay nahalala ny fahamasinany.

Nandritra ny 10 taona no nanaovan’i Arsène izany adidy goavana izany, na dia teo aza ny tsy fanajana azy nasehon’i Arcadius sy i Honorius zanak’i Théodose. Nametra-pialana izy ary avy eo lasa nitoka-monina tany an’efitra tany Alexandrie. Rehefa maty Theodose dia nisintaka tany Scété izy, ary tao no nahafantarany ny fiainan’ny mpanirery niaraka tamin’i Masindahy Jean le Nain.

Naniry te ho olomasina tokoa i Arsène ka niezaka nanao ny fiainan’ireo mpanirery tany amin’ny tany efitra. Nifehy tena mafy izy ary nohalaviriny ny teny tsy voahevitra, notandrovany ny fanginana, nasehony ny maha sarobidy ny fanabeazana. Nanokan-tena hanirery sy hamola-tena mafimafy kokoa noho ny hafa izy. Voalaza fa nahavita nivavaka izy, eo am-panandratana ny tanany miakatra any an-danitra, manomboka amin’ny fiposahana ka mandram-pilentiky ny masoandro. Ny tena nampiavaka azy dia ny tomaniny isaky ny misy zava-mitranga. Hitomaniany avokoa, eny fa na dia ny tsy fahalavorariany sy ny an’ireo mpianany aza. Toa hoe niendaka avokoa ny volomasony noho izany tomaniny izany.

Tamin’ny taona 434 rehefa nananika tao Scété ireo baribary dia voatery nandao ny toerana nitokanany monina i Arsène. Voatery nipetraka tao amin’ny lava-bato tao Tourah akaik’i Memphis izy, avy eo tany Canope ary farany niverina tany Tourah indray, ary tao izy no nodimandry ny taona 450. Nambarany ny fahatahorany ho faty talohan’ny nialany aina am-piadanana. Taty aoriana kely dia nisy tantaram-piainany nosoratan’i Masindahy Théodore.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...