17 jolay — Ny Simon Stock resahana amin’ity volana jolay ity dia iray tamin’ireo anglisy voalohany niditra tao amin’ny fikambanana karma. Teraka ny taona 1165 tao amin’ny faritr’i Kent izy. Rehefa nitoka-monina irery izy dia niditra tao amin’ny fitokana-monina karma. Izay nandraisany andraikitra goavana tamin’ny taona 1224.

Tamin’io fotoana io moa no nandaozan’ny fikambanana ny tany masina nandositra ny Sarazin ka nifindra nankany Eorôpa. Voafidy ho prieur général, izany hoe lehiben’ny fikambanana eran-tany izy, ka nampiandreketan’ny Fiketrahana Masina mba hanova ny fitsipi-piainan’ireo mpitoka-monina tao Mont-Carmel ho toy ny an’ny dominikanina sy ny fransiskanina. Na dia teo aza ny maha contemplatif, izany hoe mpivavaka, mpibanjina, azy ireo dia nandray anjara tamin’ny asa pastôraly sy ny fitorian-teny ary ny fampianarana izy ka tany amin’ny Université no nitoriany. Ankoatra ireo dia izy ihany koa no nanome ny fomba fanajana an’i Masina Maria izay nifantoka tamin’ny scapulaire. Maty tao Bordeaux ny 16 mey 1265 i Simon Stock.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...