13 jona 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Omeo fahalalana aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 20-26)
Ireto misy fomba fiteny mampiseho ny maha zava-dehibe ny vavaka : ny vavaka manova zavatra ; hafa ihany ny mivavaka ; mitolona am-bavaka ; tsy misy tsy hain'Andriamanitra atao ho an'izay mino ; fara hery sisa ny vavaka ; midika izany mahavita zavatra tsy takatry ny herintsika Izy Andriamanitra ary tena henon'Andriamanitra ny vavaka ataontsika. Misy ezaka ny fitadiavana an'Andriamanitra, tsy azo atao ny mora kivy. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Mety misy fotoana manadino an'Andriamanitra isika, mety tena minia mandositra Azy, tadidio anefa fa na minia tsy mieritreritra an'Andriamanitra aza isika na manohitra Azy dia eo amintsika foana Izy ary tsy manary antsika. Ny endrika hitenenan'Andriamanitra amintsika dia ny feon'ny fieritreretana, ny konsiansa. Io ilay feon'Andriamanitra manoro antsika ny tsara, ny mety, ny marina. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Izay mivavaka dia manankim-po bebe kokoa hatrany amin'Andriamanitra ; tsy izay ihany fa efa santatra sahady ny amin'ny fiombonam-piainana amin'Andriamanitra ny vavaka satria izay efa zatra nifampiresaka sy nifampitafa ihany no afaka hiara-monina. Ny kristiana dia olona mivavaka ; tsy misy lesona be akory ny fianarana mivavaka fa fanomezan'Andriamanitra, ary noho ny vavaka no mampitombo ny fahasoavana enti-mivavaka. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
12 jona 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 17-19)
11 jona 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 13-16)
10 jona 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahafolo Mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 5, 1-12)
9 jona 2024 — Alahady Tsotra fahafolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 3, 20-35)
Ilaina hatsaraina ny vavaka ary tokony halalinina satria indraindray dia lasa fahazarana ny mivavaka, efa fombafomba sisa, maro koa mivavaka noho ny henatra ny hafa. Ny tena sarobidy dia ny hoe : fiainantsika ny mivavaka, sakafo mamelona antsika, hery, ary azo lazaina filàna fototra ho an'ny Kristiana. Ianarana ny mivavaka, ary na ny Apôstôly aza dia nangataka tamin'i Jesoa hoe : ampianaro mivavaka izahay. Katesizy momba ny misterin'ny vavaka, iarahana amin'i P. Aurelien Rarivoson.
Alahady fankalazàna ny sakramenta Masina sorom-pihavanana sy sakafo mampiray ny Eokaristia ; Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo: izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay. Ao amin'ny vatantsika olombelona dia andraikitra lehibe ny asan'ny ra : hery, aina, sakafo, fiadiana hanoherana ny aretina ; sitraki Kristy no nanolorany ny rany nalatsany teo amin'ny hazo fijaliana mba ho loharano hanovozantsika ny fiainana mandrakizay. Hoy Izy : raha tsy mihinana ny nofoko sy misotro ny rako ianareo dia tsy mba hanana ny fiainana ao aminareo. Ny manao Kaominio dia mandray ra vaovao ao amin'ny fiainana, ra an'ilay nitsanga-ko velona, ra mpanasitrana, mpanadio...
Misy dingana roa ny firosoana amin'ny fanadinana : voalohany dia ny tovovavy no tena voakasika rehefa feno 12-13 taona dia efa afaka atao fofombady, tsy mbola mahazo miray trano anefa ary tsy azon'olon-kafa fofoina intsony ; faharoa rehefa vita ilay fiainana ilay hoe "fofombady" nanditra ny 1-2 taona dia miroso amin'ny dingana manaraka dia ny "contrat d'amour". Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Ny tena antony misongadina mahatonga ny tanora miteraka aloha loatra, mialohan'ny fanambadiana : ireo manana fiainam-pianakaviana tsy mari-toerana, izany hoe ilay tokantrano misy ray sy reny nisaraka ; ny fahantrana sy ny tsy fahampiana hoenti-mivelona ; ny tsy fahafehezana ny teknôlôjia ; eo koa ny fandrisihan'ny hafa toy ny namana sy ny ray aman-dreny te hiala adidy. Katesizy momba ny tanora miteraka aloha loatra, mialoha ny fanambadiana, iarahana amin'i P. Marc Ramiandrasoa.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco