10 nôvambra — Tamin'ny faraparan'ny taonjato fahefatra no teraka i Léon, misy ny milaza fa teraka tao Toscane izy, fa misy koa ny milaza fa teraka tao Rome izy. Ny tahirin-kevitra hafa milaza fa tao Étrurie. Quintianus no anaran'ny rainy ary tsy fantatra loatra ny tantaran'ny fahazazany fa ny nahalalana ny tantarany voalohany dia tamin'ny taona 418. Acolyte, irakiraky ny papa Zosime izy tamin'izany.
Tsapa ihany koa fa manana fahalalana lalina momba ny Fiangonana izy, ary manintona olona amin'ny firesaka sy ny fihetsika. Ny papa Céléstin Voalohany no nanamasina azy ho diakra sy nanendry azy ho arsidiakra tamin'ny taona 432. Tanan-kavanan'ny papa Sixte III izy, ary nanampy azy be dia be tamin'ny fanoherana ireo pélagiens i Léon. Nirahin'io papa io nanelanelana tamin'ny fifanoherana nisy tany Gaule izy, araka ny fangatahan'ny lapa tao Ravenne. Fifanoherana nisy teo amin'ny jeneraly Aetius, Patrice tamin'izany fotoana izany, sy ilay tompomenakely Albinius, Préfet de prétoire. Niely eran'ny tanana ny lazany, ary raha mbola tany am-panatanterahana io iraka io izy no nodimandry ny papa Sixte III. Avy hatrany dia nofidian'ny vahoaka romanina ho papa izy ka nantsoina hiverina hainga any Rome, ary napetraka amin'ny maha dimbin'i Pierre azy ny 29 septambra 440.
Tsy dia milaza loatra amin'ny olona izay saininy sy heveriny ny papa Léon Voalohany. Olona matotra, malina, olon'ny fahalalana sy ny fitsipika izy, ary ry Masindahy Chrysologue sy Posper d'Aquitaine no isan'ny mpanolo-tsaina azy. Niaina tao anatin'ny savorivory na ny fiaraha-monina na ny Fiangonana tamin'izany fotoana izany. Ka teo amin'ny fiaraha-monina ohatra dia izy no nampiverin-dalana an'i Attila tamin'ny taona 452. Tamin'ny taona 455, tsy voatohitra ny fandrobana nataon'i Genséric, fa vitany kosa ny nifanaraka tamin'izy ireo ny tsy handorana ny tanana sy tsy hamonoana ny olona. Teo amin'ny fiainam-piangonana indray ohatra dia faritra telo no nosahaniny, ny tao an-tananan'i Rome sy Italie, nandravany ireo sectes manichéens sy ny pélagianisme. Ny taona 443, namory eveka sy pretra maro izy mba ho mailo amin'ny fanoherana ny sectes. Notereny hanatrika ny sinaody tao Rome isan-taona ny eveka, ary ampahatsiahiviny amin'izany ny fepetra amin'ny fidirana amin'ny maha mpiandry ondry. Ny tany Gaule, Espagne sy Afrika Avatra indray dia nankahereziny ny olona tamin'ny tolona nanoherana ny foto-kevitra priscillianisme, ary nanasa ny eveka tao Astorga izy mba hamory ny Kônsily hanoherana izany fampianaran-diso izany. Ny tany amin'ny faritra atsinanana indray, dia notendreny hanampy azy ny eveka tao Thessalonique, ary ny papa Léon Voalohany no nitantana ny faritra Balkanique.
Teo amin'ny fampianaram-pinoana dia maro ny ady hevitra momba an'i Kristy, indrindra teo amin'ireo teôlôjianina byzantins. Tao amin'ilay asa sorany hoe "Tome à Flavien", nivoaka tamin'ny 13 jona 469 no nanazavany ny fampianarana fa i Kristy dia sady Andriamanitra no olombelona. Niantso Kônsily tao Éphèse i Théodose II tamin'ny taona 449, fa nosakanan'i Eutychès tsy handray fitenenana ny solontenan'ny papa. Fotoana fohy tao aorian'izay, maty i Théodose II, dia niantso Kônsily tao Chalcédoine indray ny impératrice Pulchérie ny taona 451. Resy lahatra ny mpandray anjara tamin'ny foto-pampianaran'i Léon, ary hoy izy ireo hoe : "I Pierre no miteny amin'ny alalan'ny vavan'i Léon". Marihana fa izy no papa fahatelo amby efapolo, ary nitondra ny anarana voalohany hoe Léon. Izy ihany koa no dimbin'i Pierre nomena voalohany ny anarana hoe "Mpampianatry ny Fiangonana". Ary ity papa ity no voalohany nalevina tao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre tao Rome, izay nodimandry ny 10 nôvambra 461. Nahatratra telo amby fitopolo amby zato ny taratasy nosoratany momba ny fiainan'ny Fiangonana sy ny Fiketrahana Masina. Ny toriteny rehetra na ny hoe "Sermons" nandritra ny fety lehibe nandirtra ny fotoana naha papa azy dia voatahiry avokoa, izay miisa fito amby sivifolo.