12 nôvambra — I Masindahy Josaphat dia Ivan Kountsevitch no tena anarany, teraka tao Volhynie ny taona 1584. Mbola zaza , na sakan-jaza izy tamin'ny fotoanan'ny Union de Brest ny taona 1596. Tamin'izany fotoana izany dia niankina mivantana tamin'i Rome ny ampahan'ny Fiangonana tao Ukraine, izay nanome ny Fiangonana greco-catholique na Église ruthène.

Niditra tao amin'ny trano fitokana-monina Sainte-Trinité tao Vilnius i Ivan Kountsevitch, teo amin'ny faharoapolo taonany, tao amin'ny Ordre basilien, ka nandray ny anarana hoe Joasphat. Teo amin'ny fahatelopolo taonany dia lasa lehiben'ny ankohonam-piainana izy. Tamin'izany no nisy fisarahana teo amin'ny katôlika romana sy ny orthodoxe, ka tsy nitandro hasasarana izy tamin'ny fampiombonana izany fisarahana tao amin'ny Fiangonana izany. Notendrena hoe eveka tao Polatsk izy tamin'ny taona 1617. Tamin'ny fotoana nisian'ny savorovoro nataon'ireo orthodoxes intégristes anefa, ny taona 1623, raha nanao fitsidihana pastôraly tao Vitebsk i Josaphat, dia novonoin'ireo orthodoxes intégristes ireo ka navalany rano, noho izy nitolona ho an'ny fiombonan'ny Fiangonana sy niady ho an'ny marina notorian'ny Fiangonana Katôlika. Ny papa Urbain VIII no nanandratra azy ho olontsambatra ny 16 mey 1643, ary ny papa Pie IX no nanandratra azy ho olomasina ny 29 jona 1867. Amin'izao fotoana izao dia hita ao amin'ny ôtely Masindahy Basile ao amin'ny Bazilikan'i Masindahy Pierre ao Vatican ny reliques an'i Masindahy Josaphat.

Émilien de la Cogolla

Maro ny olomasina mitondra ny anarana hoe Émilien, fa ny tsaroana amin'izao 12 nôvambra izao dia ilay antsoin'ny Fiangonana hoe Émilien de la Cogolla. Mpanirery izy io sady pretra. Teraka ny taona 474 i Émilien. Mpiandry ondry mahantra tao La Rioja, tao Vieille-Castille izy, ary teo amin'ny faharoapolo taonany dia nanapa-kevitra izy ny hitoka-monina ka nitoetra irery tany amin'ny tendrombohitra tao Burgos. Noho ny faneren'ny eveka tao Tarazona dia nanaiky ho hamasinina ho pretra izy, ary notendrena ho mpitantana ny Fiangonana tao amin'ny tanana nahaterahany. Noho ny resabe sy ny tsikera dia vetivety ihany i Émilien no nijanona tamin'izany naha Curé azy izany, ka lasa niverina nitoka-monina, ary nanorina ankohonam-piainana tao an-tendrombohitr'i Cogolla, izay lasa trano fitokana-monina bénédictine, nampitondraina ny anarany hoe San Milan. Tia mozika i Émilien, ary tiany ny midera an'Andriamanitra amin'ny feon'ny cithare. Maro ny mpianatra nanara-dia azy. Nodimandry ny taona 574 i Masindahy Émilien de la Cogolla.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...