06 nôvambra — Niaina tany amin'ny taonjato fahenina tany ho any i Masindahy Léonard. Teraka tao amin'ny faritanin'i Gaule izy tamin'ny fotoana nanjakan'ny amperora Anastase izay nanjaka tamin'ny taona 491 hatramin'ny taona 518. Miaramila manam-boninahitra tao amin'ny tafiky ny mpanjaka Clovis i Léonard.

I Masindahy Rémi, arseveka tao Reims no nanao batemy azy, ary io no nampianatra azy ny fahalalana momba ny famonjena. Nambaran'ireo mpahay tantara momba an'i Léonard fa olona manetry tena, tsotra sy be fitiavana ity olomasina ity. Fantatr'i Clovis ny lazan'ny fahamasinan'i Léonard sy ny fahagagan'Andriamanitra vitan'ny tanany, ka notendreny ho eveka i Léonard, nefa nandà izy ka hoy ny mpanjaka hoe : "Inona no angatahanao amiko fa omeko anao izany ?" "Omeo alalana aho, hoy i Léonard, mba hitsidika ireo voafonja ary hanafaka ireo fantatro fa mendrika izany." Nankatoavin'ny mpanjaka izany fangatahan'i Léonard izany ka maro ireo voafonja no afaka. Avy eo, nisafidy ny hitoka-monina i Léonard, ka lasa izy sy ny rahalahiny, nantsoina hoe Liphar, nankany Orléans, nianatra ny fitsipi-piainan'ny mpitoka-monina tao amin'ny abbaye Saint-Mesmin de Micy. Avy eo izy namakivaky an'i Berry, nitory ny finoana tamin'ireo mponina mbola nanompo sampy, ka nahomby tokoa tamin'ny teniny sy ny fahagagan'Andriamanitra nasehony izany fitoriana izany. I Liphar rahalahiny moa nisafidy ny hijanona tao Loire, fa izy kosa nandeha nitory teny tany Aquitaine, ary nitady teorana mangina hivavahana sy hibanjinana ny fiainana any an-danitra ka nahita ala tao Limoges izy, ala izay fandehanan'ny mpanjaka mihaza izy io ka tao izy no nitoetra nandritra ny roapolo taona.

 Indray andro, nandeha nihaza tao amin'ity ala ity ny mpanjaka, niaraka tamin'ny vadiny izy, mpanjakavavy izay niandry vohoka. Nihetsi-jaza tany am-pandehanana tany àry ity mpanjakavavy ity ary tena nijaly sy nitoreho. Sendra nandalo i Léonard, ary naheno ny tolokon'ity mpanjakavavy, nangoraka izy ka nanatona ny mpanjaka. Nanontany ny momba azy ny mpanjaka ka novaliany hoe : "Izaho no Léonard, mpianatr'i Masindahy Rémi eveka tao Reims." Velom-panantenana tamin'izany ny mpanjaka ka nitondra an'i Léonard teo anilan'ny mpanjakavavy. Vavaka roa no notononuny dia ny fahafahan'ny mpanjakavavy sy ny fahaterahan'ny zaza. Nivaly soa aman-tsara ny vavak'i Léonard ka notoloran'ny mpanjaka volamena sy volafotsy izy, fa nolaviny ireo ka nasainy nozaraina tamin'ireo fianakaviana sahirana. "Zavatra iray monja no angatahiko, hoy i Léonard, dia ny hiaina ao an'ala, ahafahako manompo an'i Jesoa Kristy Tompontsika". Nomen'ny mpanjaka azy avokoa ny velaran'ny ala manontolo, fa hoy i Léonard hoe : "Ampahany ihany no ilaiko, dia izay ahafahako mivezivezy miaraka amin'ny apondrako amin'ny alina". Neken'ny mpanjaka izany ka dia nanorina toerana fivavaha tao i Léonard, sady fanajana an'i Masina Maria io. Dia nasiany ôtely ihany koa, nampitondrainy ny anaran'i Masindahy Rémi. Nanorena trano fitokana-monina koa tao, ary fitsipi-piainana entitra no niainana tao amin'izany trano fitokana-monina izany. Sarotra be ny nahazoana rano tamin'io toerana io. Nandavaka i Léonard fa tsy nisy rano, dia nivavaka izy mba hisy rano hipoitra eo amin'io lavaka io, ka feno rano ny lavaka. Nantsoiny hoe "Noblac", satria ny andriamanjaka hono no nanome azy io toerana io.

Ireo voafonja miantso ny anaran'i Léonard, ka afaka, dia tonga any aminy manatitra ny rojo nifatorany ary mijanona ao miaraka aminy, manompo an'Andriamanitra. Nisy ihany koa fianakaviana fito, andriana toa an'i Léonard, sady havany rahateo, nivarotra ny fananany ka nizara izany tamin'ny mahantra. Nifampizarany tamin'ireo ny ala, ary dia nanaraka izay nataony ihany koa ireto fianakaviana ireto. Rehefa nodimandry i Léonard dia maro ireo fahagagana niseho tao amin'ny toerana nandevenana azy. Nanorenana trano fiangonana ihany koa tao, satria nitombo marobe ny mpivahiny masina nangata-bavaka sy nanaja azy tao.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...