Alarobia 30 septambra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 57-62 — Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ka tariho amin’ny fahamarinanao aho.
28 septambra — Niaina tamin’ny toanjato fahafolo i Wenceslas, Vratislav ny rainy, duc tao Bohême ary olona nalaza tamin’ny ara-panahy, Drahomira kosa no reniny, mpanompo sampy izy io ary nankahala tanteraka ny kristianina. Nanan-janaka iray antsoina hoe Boleslav ihany koa izy, izay nobeaziny tao anatin’ny fanompoan-tsampy.
27 septambra — Teraka ny 24 aprily 1581 tao amin’ny tanana kely ao Landes antsoina hoe Pouy i Vincent de Paul. Fianakaviana tantsaha manetry tena no nipoirany, mpiandry kisoa no asany tamin’ny fahatanorany. Nanapa-kevitra ny hanao pretra izy ka nanohy ny fianarana tany Dax sy tany Toulouse teo amin’ny fahenina ambin’ny folo taonany.
26 septambra — Teraka tamin’ny taonjato fahatelo tany Arabie tany Cilicie i Côme sy i Damien. Kristianina ny reniny. Voalaza fa kambana izy miralahy ireto. Manana zandry telo mirahalahy ihany koa izy. Nandalina momba ny fitsaboana tany Syrie i Côme sy i Damien.
Talata 29 septambra 2020 — Masina Misely, Gabriely ary Rafaely, Arakanjely — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 1, 47-51 — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mankatò ny sitrany.
Alatsinainy 28 septambra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 46-50 — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao.
25 septambra — Teraka ny 13 jolay 1013 avy amin’ny taranak’andriana tao Souabe i Hermann. Comte tao Altshausen ny rainy. Vao teraka izy dia voan’ny lefakozatra ka nahatonga ny anarany amin’ny teny latinina hoe “Contractus”. Tsy afaka namindra izy ary sarotra ho azy ny miteny.
Alahady 27 septambra 2020 — Herinandro faha-26 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 21, 28-32 — Izaho no lalana sy fahamarinana ary fiainana, hoy ny Tompo. Tsy misy afaka mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako.
24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.
23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.
22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.
21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.
Notendren’ny Papa François ho Eveka’ny Diosezin’i Fenoarivo-Atsinanana i P. Mareck Ochlak, Lehiben’ny Fikambanana Oblats de Marie Immaculée, ao amin’ny Province Pologne amin’izao fotoana izao.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco