Alarobia 6 janoary 2021 — Herinandro manaraka ny Epifania — Hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo no anirahan’Andriamanitra Ahy, sy hankahery ny torotoro fo — Evanjely Masina nosorata'i Masindahy Marka 6, 45-52

Rehefa avy nampitombo ny mofo sy ny hazandrano mba hamokisana ny vahoaka i Jesoa dia fahagagana hafa indray no hitan’ireto mpianany teny Aminy. Talanjona sy gaga ireto mpianatra rehefa nahita an’i Jesoa nandeha teo ambony ranomasina. Ho an’ny Jody mantsy, ny ranomasina dia manambara ny herin’ny ratsy. Ary mazava ho azy, ny herin’Izy Andriamanitra irery ihany no afaka mandresy an’izany. Toa adinon’ireto mpianany fa i Jesoa izay arahin’izy ireo ity anie ka zanak’Andriamanitra, nefa mbola noheverin’izy ireo fa matoatoa ihany rehefa nandeha teo ambonin’ny ranomasina. Azo lazaina araka izany fa tsy ampy ny fahalalan’izy ireo sy ny finoany an’i Jesoa. Nefa izy ireo dia niara-niaina isan’andro sy nanaraka an’i Jesoa hatraiza hatraiza.

Manomboka nanambara ny tenany i Jesoa eto amin’ity Evanjely ity. Fanambarany ny fandreseny ny ratsy, dia ny fahafatesana izany. Manasa antsika àry, i Jesoa, mba hatoky Azy sy tsy hatahotra rehefa tojo fahasarotana eo amin’ny fiainana satria Izy tokoa no "efa Mpandresy an’izao tontolo izao" tamin’ny fitsanganany ho velona. Ankino aminy àry ny ahiahintsika sy ny tebitebintsika ary ireo fahoriantsika eto amin’ity fiainana ity, fa Izy no hanamaivana izany.

Ny fiarahantsika amin’i Jesoa isan’andro ao anatin’ny Eokaristia sy ny vavaka àry no antoky ny fahombiazantsika. Ao no hahafatarantsika ny tena maha Izy azy dia hoe zanak’Andriamanitra Mpandresy ny ratsy Izy. Matokisa àry an’Izy Jesoa zanak’Andriamanitra ary aza matahotra ny manara-dia Azy.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...