Ilaina ny fahafantarana ny tantaram-pirenena fa na ny tantara maneran-tany ihany koa dia torak'izay, satria isika dia efa miaina ao anatin'ny fanatontoloana... Fandaharana "mba ho vanona", iarahana amin'i Jeneraly Désiré Philippe Ramakavelo.
Ny niakaran'i Jesoa Kristy any an-danitra dia voasokajy ho isan'ny andro voadidy hohamasinina. Misy lafiny roa ny mistery ankalazaina : voalohany dia Izy Jesoa lasa nody any amin'ny Rainy izay niaviany ka tsy hitantsika maso intsony ; ny faharoa dia mipetraka eo an-kavanan'Andriamanitra Rainy izy ary maneho ny voninahiny izay efa nananany. Katesizy momba ny niakaran'i Jesoa any an-danitra, miaraka amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alakamisy 26 mey 2022 — I Jesoa niakatra any an-danitra — Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 24, 46-53
♦ Hiroso amin'ny fitokonana lavareny ny SECES Sampana Antananarivo. Niatrika fivoriambe teny Ankatso indray androany ireo mpampianatra mpikaroka, nampahatsiahy ireo fitakiany... ♦ Vao mainka hiakatra noho ny amin'izao ny vidim-piainana eto Madagasikara, ao aorian'ny fiakaran'ny vidin-tsolika, hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Hanomboka ny alatsinainy izao ka hatramin'ny tapaky ny volana jona ny adina ara-panatanjahantena Bakalôrea eto amin'ny faritanin'Antananarivo...
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco