♦ Tsy tokony hiroso amin'ny fanambadiana raha mbola tsy nahavita ny fifampizahan-toetra, izay dingam-piainana mankany amin'ny maha olon-dehibe. Iaino ny dingam-piainana ankehitriny fa homano ny ho avy... ♦ Vitsy ny mpiasan'ny fahasalamana mazoto hiasa any ambanivohitra noho ny tsy fahampian'ireo foto-drafitr'asa ara-tsosialy ilainy ka izay no antony mandrisika ny olona hanao dokotera tena ; ohatra ny sekoly hampianaran'izy ireo ny zanany na ny resaka herinaratra... ♦ Ho fitsinjovana ny fahasalamana dia tokony handanjalanja ny zavatra hampidirina am-bava ny olona indrindra ireo nandalo teny amin'ny mpitsabo nentim-paharazana ; tsara kokoa ny manao fitiliana eny amin'ny mpitsabo matihanina.... Fandaharana "Ampela Miary".
♦ Notanterahina ny omay, talata 24 mey teto Ivato ny Eokaristia Masina fisaorana an'Andriamanitra noho ny jobily faha-150 taona nanorenan'i Don Bosco sy Marie Dominique Mazzarello ny fikambanan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice... ♦ Niisa telo ireo fifanaovan-tsonia ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin'ny governemanta Malagasy sy ny BAD izay natao tany ACCRA renivohitr'i Ghana omaly... ♦ Ampy ny fitaovana enti-miasa amin'ny ady atao amin'ny valala ; velaran-tany 138.000Ha no efa voafendraka ranom-panafody...
Ny olona dia tokony ho ivo, sy fototra ary tanjon'ny asa sosialy rehetra. Tsy azo hararaotina mihitsy ny olona. Adidin'ny matanjaka ny miaro ny marefo. Ity fitsipika ity dia mifanohitra amin'ny karazana fanavakavahana : ara-toekarena, politika, fiteny, foko fivavahana... Katesizy momba ny soa iombonana sy ny fiharian-karena, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alarobia 25 mey 2022 — Herinandro fahenina fankalazana ny Paka — Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 12-15
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco