♦ Niakatra teny amin'ny PAC omaly tolakandro, ny raharaha kolikoly sy fanodikodinam-bola mahakasika an'i Mbola Rajaonah. Niisa 11 ireo vesatra niampanga ity mpandraharaha ity... ♦ Fepetra iraisan'ny ministera maromaro amin'ny filàna ravinahitra any ivelany, efa napetraka tamin'ny taona 2020 ihany, ilay naverina nampahafantarina hoy ny teo anivon'ny ministeran'ny raharaham-bahiny, fa goragora ny fampiharana azy, ka hohamafisina ankehitriny ho fisorohana ireo loza mety ahazo ny zanaka malagasy... ♦ Mitsipaka marindrano ny mety ho fandaniana am-boletra ny "ITG" ny solombavambahoaka an'Ambohidratrimo, mandeha ny feo fa kasaina ho dinihin'ny parlemantera indray izy io...
Tamin’izany andro izany, i Jesoa niondrana tamin’ny sambo kely ka narahin’ny mpianany. Dia indro nisy tafio-drivotra mafy tamin’ny ranomasina, ka efa safotry ny onjan-drano ny sambo kely, ary Izy anefa natory. Dia nanatona Azy ny mpianany, ka namoha Azy nanao hoe: "Tompoko, vonjeo izahay, fa maty." Ary hoy i Jesoa taminy: "Nahoana no saro-tahotra ianareo, ry kely finoana?" Dia niarina Izy, nandidy ny rivotra sy ny ranomasina, ka tonga tony dia tony ny andro. Ary gaga ny olona, ka nanao hoe: "Iza io Lehilahy io no manaiky Azy ny rivotra sy ny ranomasina?"
Nony efa antomotra ny andro tsy maintsy hanalana an’i Jesoa, dia nanapa-kevitra hankany Jerosalema Izy, ka nandefa iraka hialoha Azy. Dia nandeha ireo ka niditra tao amin’ny tanàna anankiray tany amin’ny Samaritanina, mba hanomana ny fandraisana Azy; fa tsy nisy nandray Azy ny olona, satria olona hankany Jerosalema no fijeriny Azy. Nony nahita izany i Jakôba sy i Joany mpianany dia nanao hoe: "Tompoko, tianao va raha asainay ilatsahan’ny afo avy any an-danitra izy handevona azy?" Fa nitodika Izy ka nananatra azy mafy hoe: "Tsy fantatrareo mantsy izay tokony ho fanahinareo. Ny Zanak’Olona anie tsy tonga hamery ny olona fa hamonjy azy". Dia nankany amin’ny vohitra hafa izy ireo. Raha mbola teny an-dalana izy ireo, dia nisy olona anankiray nilaza taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, na aiza na aiza halehanao". Fa hoy i Jesoa taminy: "Ny amboadia manan-davaka, ary ny voro-manidina manana akany; fa ny Zanak’Olona tsy mba manana izay hampandriany ny lohany". Ary hoy Izy tamin’ny anankiray hafa: "Manaraha Ahy". Dia izao no navalin’io: "Aoka aloha, Tompoko, handevina ny raiko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Avelao ny maty handevina ny maty ao aminy, fa ianao kosa mandehana mitory ny Fanjakan’Andriamanitra". Dia nisy iray hafa koa nanao taminy hoe: "Hanaraka Anao aho, Tompoko, fa aoka aloha hanao veloma ny ao an-tranoko aho". Fa hoy i Jesoa taminy: "Rehefa mety ho mpitana angadin’omby miherika, dia tsy sahaza ny Fanjakan’Andriamanitra".
Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao ity fanoharana ity tamin’ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: "Iza moa aminareo no manana ondry zato ka very ny anankiray no tsy handao ny sivy amby sivifolo any an’efitra, ka handeha hitady ilay very mandra-pahitany azy? Ary rehefa hitany dia ataony eo an-tsorony an-kafaliana, ka nony tonga any an-tranony izy, dia mamory ny sakaizany sy ny olo-mifanakaiky aminy ary manao amin’ireo hoe: ‘Miaraha mifaly amiko, fa efa hitako ny ondriko very’. Lazaiko aminareo, fa toy izany koa, hisy hafaliana lehibe kokoa any an-danitra amin’ny mpanota iray mibebaka, noho ny amin’ny olo-marina sivy amby sivifolo tsy mila fibebahana".
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco