♦ Nofaranana omaly ny fanamarihana ny faha-100 taona ny seminera zandriny eny Ambohipo. Notokànana sy notsofin-drano tamin'izany ny tsangambaton'ny jobily fankalazàna... ♦ Nanamarika ny fetin'ny reny isika teto Madagasikara omaly. Miatrika fahasahiranana ny reny amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana, hoy ireo renim-pianakaviana nanaovana fanadihadiana teny an-dalambe teny... ♦ Mbola nisy tranga Covid-13 ka tranga 63 isa indray no hita tao anatin'ny herinandro. Marary 02 no matin'ity valan'aretina ity, raha ny antontan'isa navoakan'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka... ♦ Nahafaty olona 79 isa farafahakeliny ny ora-mikija any Brésil. Olona maherin'ny 50 no tsy hita popoka vokatry ny fiavian'ny orana...
Masina ny Aina ka izay no mahatonga an'Andriamanitra hiaro ny Ain'olona sy handràra ny famonoan'olona, ary ny fanakanana ny aina aza dia tsy ankasitrahan'Andriamanitra. Ny fanajana ny aina dia hita taratra ao anatin'ny didy folo : aza mamono olona. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alatsinainy 30 mey 2022 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33
Ny aina dia marefo satria toy ny : entona. Ny olona dia tahaka ny zava-poana, ny androny dia tahaka ny aloka mihelina. Misy ny fomba fiteny malagasy fa ny aina dia tsy hananam-piry na tena tsinontsinona mihitsy aza. Katesizy momba ny fanajana ny aina, hiarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco