Talata 31 mey 2022 — Famangian'i Masina Maria — Sambatra ianao, ry Maria Virjiny satria nino fa ho tanteraka izay nampilazain'ny Tompo taminao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 1, 39-56

♦ Niroso tamin'ny fitetezana efitrano sy ny fanidiana izany androany ny sendikan'ny SECES Sampana Antananarivo. Mandrahona ny hihetsika ihany koa ireo mpianatra, ao aorian'ny fe-potoana telo andro izay nomeny... ♦ Mbola misy ireo orinasa mpikojakoja lalana manana trosa amin'ny fanjakana. Miankina amin'ny toromariky ny Fiadidiana ny Repoblika no ahafahan'ny Tahirim-bolam-panjakana mandoa izany, hoy izy ireo androany... ♦ Mangataka ny hampiharana antsakany sy andavany ny lalana mifehy azy ireo, mba hisian'ny fifaninana malalaka, ny sendikan'ny Mpandrefy Tany Mpahay tsy miankina...

♦ Tontosa omaly, tao Mangarano II, Diôsezin'i Toamasina ny fitokanana ny fiangonana EKAR Don Bosco sy ny Sekoly Dominique Savio, tantanan'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco... ♦ Ny 27 hatramin'ny 29 mey 2022 teo ny fanohanana ny Seminera, ho an'ny Diôsezin'i Tsiroanomandidy...

♦ Mihazo vahana tato ho ato ny fisolokiana anaty tambajotran-tserasera. Fitarainana maro momba izany no voarain'ny vaomiera misahana ny helokoa an'habaka eo anivon'ny Ministeran'ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ Hatsaraina ny kalitaon'ny fanofanana arak'asa omen'ireo ivon-toeram-piofanana 8 tantanan'ny Saleziana Don Bosco sy ny FMA eto Madagasikara. Navaozina ny fiaraha-miasa momba izany niarahana tamin'ny Via Don Bosco avy any Belzika... ♦ Mitaraina ny sendikàn'ny Polisy SEFPONAM fa mbola misy ny antsojay atao amin'ireo mpitarika sendikà. Porofon'izany, hoy ny sendikà, ny tsy fanatanterahana didim-pitsaràna momba ny zo arak'asa...

[Miara-dàlana] Alakamisy 26 jona 2025

Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...