♦ "Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny zaza ao am-bohoka, na tsy fidiny na nirina, na nampoizina na tsia, satria avy amin'Andriamanitra ny aina", hoy ny eveka eto Madagasikara... ♦ Nankalazaina androany ny fetin'i Masindahy Joany Paoly Faharoa. Nankalaza izany ny Fikambanan'ny pretra Spiritains any Antsiranana sy ny Lycée Saint Jean-Paul II ao Mandritsara, Port-Bergé...
♦ Fanehoan-kevitry ny Filohan'ny Vaomiera Epsikopaly momba ny Fahasalamana, manoloana ilay tolo-dalana ITG haroso eny Tsimbazaza... ♦ Mitohy ny tsy fitovian-kevitra eo amin'ny samy mpanao gazety, manoloana ny fanolorana ny solontena eo anivon'ny CENI vaovao... ♦ Hiverina hisokatra rahampitso ny habakabak'i Madagasikara...
♦ Nampikatso ny asa aman-draharaha rehetra amin'ny fadin-tseranana manerana ny nosy manomboka androany, ireo mpiasa ao amin'ny SEMPIDOU. Tsy nasahakana ny fitokonan'izy ireo ny fandrarana nataon'ny Préfet-n'ny Polisin'Antananarivo... ♦ Nisavorovoro tanteraka ireo mpikambana ao amin'ilay vaomiera manokana mikarakara ny fifidianana, izay ho solontenan'ny fiaraha-monim-pirenena eo anivon'ny CENI. Nisokatra nanomboka androany ny fahafahan'ireo kandidà manatitra ny firsotsahan-ko fidiany eny Alarobia...
Manentana antsika ny Papa François mba hitondra am-bavaka ny sinaodin'ny eveka (2021-2023), momba ny lohahevitra hoe : "Eglizy miara-dia : fiombonana, fandraisana anjara, asa fanirahana"
Fotoam-pahasoavana ny Sinaody, hoy i Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan’Antsiranana, ka manentana ny rehetra tsy ankanavaka izy mba handray anjara amin’ny fanomanana ny sinaodan’ny eveka hofaranana amin’ny oktobra 2023.
Mbola tsy afaka mamaly ny filàna amin'ny tsena anatiny ny vokatra ronono eto amintsika. Antony nanafarana ireo omby vavy be ronono hanampiana ny efa misy eto...
♦ Nitrangàna loza-pifamoivoizana nahatsiravana indray tao Marovoay Gara, any amin'ny RN44 mampitohy an'i Moramanga sy Ambatondrazaka, 08 no maty ary 12 ireo naratra... ♦ Hisitraka fandaharan'asa Taniketsa indostrialy tanterahan'ny ministeran'ny indostria sy ny varotra ary ny fanjifàna ny any amin'ny faritra Anosy. Midina ifotony any an-toerana ny ministra Edgard Razafindravahy... ♦ Manao antso avo amin'ny tompon'andraikitra mahefa ny mpiaro ny tontolo iainana mba hiaro ny hazo gasy, hisorohana ny fitaran'ny tsy fahampian-drano...
Tsapa ankehitriny fa miroaroa saina sy mitebiteby ary tsy mahatoky tena ny tanora noho ny tahotra mameno ny fony manoloana ny ho aviny. Hany ka tsy mari-toerana ny fiainany ary maro no tsy mijoro amin'ny heviny sy tsy mitàna ny teny nomeny. Jesoa anefa manome toky fa eo mandrakariva hitari-dalana azy ireo. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.
Ny tsara ho fantatra mikasika ny rafitry ny toeram-pitsaboana ialàna amin'ny fivezivezena. Maro ny olona tsy mahafantatra ny rafitry ny toeram-pitsaboana misy eto Madagasikara ka mahatonga ny toeram-pitsaboana sasany hipoka loatra kanefa ny sasany zara raha misy olona. Ilaina ny mahafantatra ny mombamomba ny toeram-pitsaboana tsirairay amin'izay raha misy tena marary avy dia fantatra ny toerana haleha.
Mbola miaina ao anatin'ny firaisam-po isika ary izay no atao hoe fiombonana ao amin'ny eglisy, hampiraisin'i Jesoa kristy, filoha tokana. Ny fahasamihafana dia mitazona sy mandrisika amin'ny fifampitsinjovana. Ny finoana dia mivelatra ara-jeografia, mifanaraka amin'ny fitomboan'ny mponin'ny tany. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Nisy fivoarana hatrany ny fomban'ny fiangonana, ka nanjaka ny firaisam-po. Araka ny voalaza hoe : izay rehetra nino dia niray toerana, sady niombonany avokoa ny fananany rehetra, ary namidiny ny taniny sy ny fananany ka nozarainy tamin'izy rehetra araka izay nilainy avy. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Ny fanaovana ny asa fanasoavana dia ilaina lanjalanjaina satria nomen'Andriamanitra ny fahafahana handalina isika. Ny fahamaroan'ny fikambanana dia ahafahana maneho fahasamihafana sy fifamenoana. Katesizy momba ny fanehoana harem-panahy, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco