Tamin’izany andro izany, nony mby tao akaikin’i Jerikao i Jesoa, dia nisy jamba anankiray nipetraka nangataka teo amoron-dalana. Ary nony nandre ny vahoaka nandalo izy, dia nanontany hoe: "Inona izany?" Ka nilazana fa i Jesoa avy any Nazareta no nandalo. Dia niantso izy nanao hoe: "Ry Jesoa Zanak’i Davida ô, mamindrà fo amiko." Noraran’izay teo aloha izy mba hangina, fa vao mainka niantso mafimafy kokoa nanao hoe: "Ry Zanak’i Davida ô, mamindra fo amiko e!" Dia nijanona i Jesoa, ka nasainy hoentina mankeo aminy izy. Ary nony tonga teo akaikiny dia nanontaniany hoe: "Inona no tianao hataoko aminao?" Ary hoy izy: "Mba hahiratra aho, Tompoko." Dia hoy i Jesoa taminy: "Mahiràta, ny finoanao no nahavonjy anao." Niaraka tamin’izay, dia nahiratra izy ka nanaraka Azy sy nankalaza an’Andriamanitra. Ary ny vahoaka rehetra nahita izany koa nidera an’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny tamin’ny mpianany ny amin’ny hiverenany nanao hoe; "Amin’izany andro izany, rehefa afaka ireo fahoriana lehibe, ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana any an-danitra hiraraka, ary ny herin’ny lanitra hihozongozona. Dia ho hita amin’izay ny Zanak’olona avy eo ambonin’ny rahona amin-kery lehibe sy voninahitra. Amin’izay Izy dia haniraka ny Anjely ary hanangona ny olom-pinidy avy amin’ny vazan-tany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Alaovy ho fanoharana ny aviavy. Raha vao manaroka ny rantsany ka mandravina, dia fantatrareo fa efa antomotra ny fahavaratra. Toy izany koa, rehefa hitanareo fa tonga izany zavatra izany, dia fantaro fa efa antomotra mby eo am-baravarana Izy. Lazaiko marina aminareo fa tsy ho lany ity taranaka ity mandra-pahatongan’izany rehetra izany. Ho levona ny tany aman-danitra, fa ny teniko tsy mba ho levona. Izany andro sy ora izany anefa, dia tsy misy mahalala, na ny Anjely any an-danitra, na ny Zanaka aza, afa-tsy ny Ray ihany.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny mpianany momba ny tsy maintsy hivavahana lalandava sy amim-paharetana. Hoy Izy: "Tany amin’ny tanàna anankiray nisy mpitsara anankiray tsy natahotra an’Andriamanitra sy tsy mena-maso olona. Ary tao amin’izany tanàna izany koa, dia nisy mpitondratena anankiray nankao aminy matetika nanao hoe: ‘Omeo rariny aho amin’ilay miady amiko’; fa tsy nanaiky na oviana na oviana izy. Kanjo tamin’ny farany dia hoy izy anakampo: ‘Na dia tsy matahotra an’Andriamanitra aza aho sy tsy mena-maso olona, dia manahirana ahy itý mpitondratena itý, ka homeko rariny izy mba tsy hiverimberina mandrakariva hanorisory ahy.’ Ary henoy, hoy ny Tompo, izay lazain’ilay mpitsara tsy marina, ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy? Lazaiko aminareo fa homeny rariny haingana izy ireo. Kanefa rahefa tonga ny Zanak’Olona, moa mba hahita finoana etý ambonin’ny tany Izy?"

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: "Toy ny niseho tamin’ny andron’i Nôe no hiseho koa amin’ny andron’ny Zanak’Olona: nihinana sy nisotro ny olona ary nampaka-bady sy namoa-jazavavy, mandra-pahatongan’ny andro nidiran’i Nôe tao amin’ny sambo fiara, dia tonga ny safodrano ka nandringana azy rehetra. Ary koa tahaka ny tamin’ny andron’i Lôta: nihinana sy nisotro ny olona, nividy sy nivarotra, ary namboly sy nanao trano; fa tamin’ny andro nivoahan’i Lôta tao Sôdôma kosa, nisy afo sy solifara avy any an-danitra nilatsaka nandringana azy rehetra. Dia ho tahaka izany koa amin’ny andro hisehoan’ny Zanak’Olona.

Amin’izany andro izany, izay any ambony tafon-trano aoka tsy hidina haka ny fananany ao an-tranony; toy izany koa, izay any an-tsaha, aoka tsy hiverina haka izay nilaozany. Tsarovy ny vadin’i Lôta! Izay hitady hamonjy ny ainy, dia hahavery azy, fa izay hahafoy azy no hamonjy azy. Lazaiko aminareo fa amin’izany alina izany, amin’ny olona roa lahy miray fandriana, ny iray horaisina ary ny iray havela; amin’ny olona roa vavy miara-manodina fikosohan-dafarinina, ny iray horaisina ary ny iray havela; ary amin’ny olona roa lahy izay eny an-tsaha, ny iray horaisina ary ny iray havela." Dia namaly izy ireo ka nanao taminy hoe: "Ho aiza Tompoko?" Ary hoy Izy taminy: "Amin’izay hitoeran’ny faty no hiangonan’ny voromahery."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanontanian’ny Farisianina izay andro hiavian’ny fanjakan’Andriamanitra, ka namaly hoe: "Tsy mba manetriketrika fiavy ny fanjakan’Andriamanitra, ary tsy hataon’ny olona hoe: Indro atý na arý izy; fa indro ao anatinareo ny fanjakan’Andriamanitra." Dia hoy koa Izy tamin’ny mpianany: "Ho avy ny andro hanirianareo hahita ny anankiray amin’ny andron’ny Zanak’Olona, fa tsy hahita ianareo. Hilazan’ny olona ianareo fa hoe: Indro erý, na indro etý; nefa aza mankany ianareo, na manaraka izany akory. Fa tahaka ny fanjelatry ny hela-baratra miserana ny faravodilanitra hatramin’ny lafiny iray ka hatrany amin’ny lafiny hafa, dia ho tahaka izany koa no fiavin’ny Zanak’Olona amin’ny androny. Fa tsy maintsy hijaly mafy aloha Izy sy holavin’itý taranaka itý."

♦ Mpitsara miisa efatra no miakatra fitsipi-pifehezana mandritra ny fivorian'ny Filankevitra Ambonin'ny Mpitsara na ny CSM. Ny tsy fahavitana ny asa araka ny tokony ho izy no antony, hoy ny Minisitry ny Fitsarana... ♦ Tsy handany na hampandany ilay tolo-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka, na ny ITG, haroso hodinihina eny amin'ny Antenimieram-pirenena, ny Solombavam-bahoaka voafidy tany amin'ny Faritanin'i Fianarantsoa...

Sabotsy 6 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 9-15

Zoma 5 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Sokafy, ry Tompo, ny fonay mba hitandremanay ny tenin-Janakao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 16, 1-8

Alakamisy 4 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Velona sy mahery ny Tenin’Andriamanitra; fantany mazava ny fieritreretana amam-pisainan’ny fo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-10

♦ Manodidina ny arivo ireo olona niakatra tao Farafangana Renivohitra omaly, mitaky ny hamoahana Ben'ny Tanana sy ny mpitarika ny Kalony any amin'ny Kaominina 19 izay niavian'izy ireo, izay voasambotra naiditra am-ponja vonjy maika ao Farafangana... ♦ Hamafisina hatrany ny fiaraha-miasa sy ny fikatsahana ny tombon-tsoa iombonana amin'ireo nosy manodidina, hoy ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena. Tafiditra amin'izany ny fiarovana ny sisin-tany...

Alarobia 3 novambra 2021 — Herinandro faha iraika amby telopolo mandavantaona — Niantso antsika tamin’ny alalan’ny Evanjely Andriamanitra mba hahazoantsika ny voninahitr’i Jesoa Kristy Tompontsika — Evankely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 14, 25-33

Talata 2 novambra 2021 — Fahatsiarovana ny mpino nodimandry — Avia ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo, hatrizay naharina an’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...