Toetra ilaina amin'ny fivoaran'ny tena ny fananana hazon-damosina. Ny fahasahiana mijoro amin'ny maha-izy ny tena dia ahafahana manamafy orina ny fahatokisan-tena sy ny fanantenana ary ny finoana ka tsy ho mora handairan'ny famoizam-po. Fotoana fanorenana ny fahatanorana ka tsy tokony hanjeny ny andro ho lava, ary tsy miasa irery fa miaraka amin'i Kristy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Manana anjara toerana lehibe amin'ny famolavolana ny tanora hanana hazon-damosina ny fanabeazana. Fanabeazana izay natao hanoro ny lalana izorana sy ny lalam-pitondran-tena fa tsy hitsikera fotsiny ny voka-dratsin'ny zava-bita. Jesoa nanoro antsika ny lalana ahitam-pahombiazana hahazoana ny hafaliana sy ny fanantenana amin'ny ho avy. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Mba hahamafy orina ny maha-izy ny tena dia ilaina mandrakariva ny fifampizaram-piainana amin'ireo ray aman-dreny. Ny fifanankalozan-kevira no miteraka ny fifampitokisana ary mampisava ny tahotra. Toetra iray, tokony halavirina ny fivadiham-pitokisana sy ny fanaovana " tsobo-drano-Ramiangaly " satria tsy mampivoatra izany. Katesizy momba ny fananana hazo-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

♦ Hisitraka vaksiny Johnson Johnson maherin'ny 300 000 avy amin'ny governemanta amerikana i Madagasikara. Ho raisina etsy Ivato, amin'ity maraina ity... ♦ Maherin'ny 130 kg ny volamena nokasaina sy efa nivoaka an-tsokosoko teo Madagasikara tao anatin'ny 3 taona. Mitaky sazy ho an'ireo mpanondrana ny harem-pirenena ny firaisamonim-pirenena... ♦ Manome 3 andro ny tompon'andraikim-pahefana ny SDVELM manoloana ny fitazomana am-ponja ireo namany miisa telo...

♦ Amin'izao fivoriana ara-potoanan'ny solombavambahoaka izao, no aroso any amin'ireo filoham-boamiera, ireo antotataratasy 12, fitoriana olona ambony, voarain'ny HCJ... ♦ Mitaky ny mangarahara  momba ny tohin'ilay fanavaozana ny lalàna mifehy ny harena ankibon'ny tany ny fiaraha-monim-pirenena... ♦ Vory avokoa ankehitriny ny ilaina, hanatanterahana ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara, araka ny velirano fahafito hoy ny ministra Edgard Razafindravahy, tany Taolagnaro, omaly...

Ny fananana hazon-damosina dia tsy midika ho fikatonana ao amin'ny tena. Ilaina ny fifandraisana sy fifampizarana amin'ny hafa, toy izany koa ny fahatokisan-tena. Mitaky faharetana sy fitozoana ihany koa ny fiainana koa rehefa manomboka zavatra iray dia ezahana mandrakariva ny hahatratra ny tanjona manoloana ireo sedra samihafa. Katesizy momba ny fananana hason-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Betsaka ireo tanora no diso fanantenana noho ny tsy fahombiazana eo amin'ny fiainana. Isan'ny anton'izany ny hakamoana sy ny fiononana fotsiny amin'izay eo an-tanana. Mandiso hevitra azy ireo ny fampanantenana poakaty sy manodoka izay mitondra mankany amin'ny hafaliana sandoka. Ilaina ny fahaizana mandanjalanja manoloana ireny. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Maro ireo tanora no tsy mahalala ny maha-izy azy. Eo am-pifaneraserana amin'ny hafa, ao anatin'ny fanekena sy ny fanajana ny fahasamihafàna no hahafahana mitrandraka izany. Ilaina ny mahatsapa ny fifamenoana ary amin'izany no hahafantarana ny andraikitra sy ny anjara toerana eo amin'ny fiaraha-monina. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Miseho amin'ny endrika samihafa ny tahotra ao amin'ny tanora : tahotry ny tsy misy mihaino, tahotry ny tsy ho tiana, tahotra tsy ahomby, tahotra ny tsy ho fantatra. Mankahery ny tanora i Papa François fa mamela antsika hanana fo sy saina hikaroka mandrakariva i Jesoa, saina afaka mandalina sy fo hahay hifampitsinjo. Katesizy momba ny fananana hazon-damosina, iarahana amin'i P. Rakotonarivo Fidy Isidore.

Tamin'ny sabotsy 16 oktobra 2021 no nanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny sakafo, indrindra ny ara-pahasalamana. Hita fa manana olana amin'ny lafiny fisakafoana ny olona ankehitriny. Ny atao hoe sakafo ara-pahasalamana dia voalanjalanja, mifanaraka amin'ny filàn'ny vatana sy ny asa andavanandro. Tao anatin'ny dimy na enina taona izay dia nampidirin'ny Ministeran'ny fahasalamam-bahoaka tao anatin'ny tatitra fanaon'ny isam-bolana ny antotan'isan'ny olona tratry ny fahalebiazana loatra...

♦ Mba ahafahan'ny loholona sy ny solombavambahoaka, indrindra fa ny parlemantera kristiana katôlika, mandinika araka ny feon'ny fieritreretana, alohan'ny handatsa-bato mikasika ilay tolo-dalàna momba ny fanalan-jaza dia misy ny taratasy misokatra ho azy ireo navoakan'ny fivondronamben'ny eveka omaly... ♦ Volamena 22,5kg avy eto Madagasikara, niala tany Nosy-Be Hell-Ville no tratra tany Seychelle... ♦ Mampanahy ny firaisamonim-pirenena ny ho avin'ny harena ankibon'ny tany eto Madagasikara...

Ambony noho ny zavatra rehetra ary masina ny ain’ny zaza ao an-kibo, na nirina na tsy fidiny, na nampoizina na tsia satria avy amin’Andriamanitra ny aina, hoy ny evekan’i Madagasikara, manoloana ny volavolan-dalana momba ny fampitsaharana ny vohoka.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...