♦ Misy lalana momba ny "utilité publique", hoy ny Filoham-pirenena androany, manoloana ny fisian'ny fanoherana ilay tetik'asa téléphérique eny amin'ny Saint Michel Amparibe. Tsy maintsy hitadiavana vahaolana, hoy izy, ny fitohanan'ny fifamoivoizana ao an-drenivohitra... ♦ Ao anatin'ny fiomanana tanteraka amin'ny fandraisana ny JMJ Mada faha-10 ny ao amin'ny Diôsezin'Antsirabe. Nisy ny fivoriana fanomanana izany, notarihin'ny VPKT tany an-toerana, nifarana androany...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...