Sarobidy ny voahary satria niainga avy tamin'ireo ny tao-zavatra sy ny fivoarana rehetra. Mifaningotra aina daholo ny zavatra rehetra satria ohatra raha trongisina ny tany dia simba ny fiveloman'ny olona sy ny biby ary ny zava-maniry ; raha maloto ny rano sy ny rivotra dia mijaly sy marary ny olona sy ny biby ary ny zava-maniry ; raha ringana ny biby sy ny zava-maniry tsy ampy sakafo sy fanafody ny olombelona. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Ny fifamatorana sy ny fifamenoana amin'ny zavaboahary no manazava ilay hoe "écosystème", na TAMBA-TONTOLO IAINANA, ROHIVOAHARY, izany hoe mifanigotra aina ny zavaboahary ka izay manjo ny singa iray dia miantraika amin'ny hafa. Masina ny zavaboahary satria asan-tanan'Andriamanitra Mpahary izay Masina. Masina Andriamanitra, masina ny harin-tanany. Ny Mpahary mihitsy no tsara. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Soa ho an'ny olombelona ny voahary satria mitondra hafaliana sy filaminan-tsaina, mitondra fahasalamana. Ny ankamaroan'ny fananana dia nolovaina tamin'ny ray aman-dreny ka tokony ho tandrovana fatratra, midika ho fanajana ny ray aman-dreny nisasatra izany. Tsy anananao ny fahefana handringana na hivarotra fa mampiasa azy tsara dia mioty ny vokatry ny hasasasaranao eo no azonao atao. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Tsentsina ny lalan-drano, tafakatra hatrany an-trano ny rano maloto noho ny fandotoana hataontsika ihany ; fako eran'ny tanàna sy ny lalana, harona sy tavoahangy plastika amin'ny tatatra miampy kazana fako hafa oty ny arotava. Aretina sy fahafatesana no vokatr'ireny rehetra ireny ; isan'ny fandotoana ihany koa ny fisian'ny setroka fiara sy ny fandoroana fako etsy sy ero satria samy mandoto rivotra ireny. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Fitiavan'Andriamanitra sy fanehoany ny tenany sy ny asany ny fahariana ; mitory ny hatsarany tsy misy fetra. Ny fahariana dia famoronana niainga tamin'ny tsy misy, miampy fametrahana lamina ao amin'ireo ; tsy hoe rehefa nisy dia ampy fa nomena ilay lamina : hitomboan'ny taranaka, hifamelona. Miavaka ny fahariana ny olombelona fikasan'Andriamanitra manokana mihitsy, novolavolainy sy nomeny ny fofon'ainy. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Sitrapon'Andriamanitra matoa misy, asa tanan'ny Mpahary. Fa misy antony avokoa ny zavatra rehetra. Natao hidera an'Andriamanitra Mpahary ny zava-boahary. Tian'Andriamanitra avokoa ny zava-boahary ary tsy misy halany izay nataony, fa raha nisy iray halany dia tsy nataony akory. Sarobidy ny zava-boahary izay famantarana lehibe ao amin'ny Sakramenta. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Isan'ny singa fototra maha olona ny olona ny fifandraisany amin'ny zava-boahary sy amin'Andriamanitra. Eo no ahalalany ny momba ny tenany hoye manao ahoana eo anatrehan'ny vohary. Ny famonjena dia mira fahariana lanitra vaovao sy tany vaovao izany hoe hoesorina amin'ilay toetra mety lo ka homena toetra vaovao maharitra. I Jesoa dia sady mampianatra no maneho fa Andriamanitra mifehy ny zava-boahary. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Voavondrona sy voafintina ao amin'ny olombelona ny zavatra rehetra araka izay voasoratra hoe : anareo ny zavatra rehetra, ianareo an'i Kristy ary i Kristy an'Andriamanitra. Ny fanilovan'ny Tenin'Andriamanitra momba ny fahariana sy ny fahiratan-tsain'Andriamanitra no nahafahan'ny olombelona mivoatra ; tsy tokony hihantsy an'Andriamanitra araka izany ny olombelona na hanohitra ny lalan'ny natiora. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Sitrak'Andriamanitra ny fivoarana sady soa ho an'ny zava-boahary rehetra satria mampamokatra ilay tso-drano tany am-piandohana hoe mitomboa ; ka ilay hoe mitombo dia sady mitombo isa no mitombo hatsarana. Tsara ny manamarika fa tsy fandrosoana ny fandringanana sy ny fifaninanana amin'Andriamanitra ; manoloana ny zava-boahary dia mpanjaka isika fa tsy mpanjakazaka. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Ny tena soa ho an'ny olombelona sy ny zava-boahary hatrany no tokony hokatsahina. Aoka hotombanana ambony indrindra hatrany ny hasina maha-olona, ary miaraka amin'izay ny zava-manana aina hafa. Aoka tsy hoviraviraina tafahoatra amin'ny fanandramana ny aina. Raha misompatra sy manara-po ny olombelona dia iharan'ny hatezeran'ny natiora, toy ny tondra-drano, hain-tany, aretina. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Misy ny fahatongavan-tsaina rehefa mihatra ny voina, ohatra rehefa tondraka ny rano, mihotsaka ny tany, rehefa mihantona ny orana, miakatra be ny hafanana ; saingy fifanomezan-tsiny no mahazo laka ; adino fa samy tompon'andraikitra amin'ny zava-misy izay nanao antsirambina. Maro ireo andro iraisam-pirenena na eran-tany hanomezana lanja ny mikasika ny tontolo iainana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Ireo singa rehetra mandrafitra ny tontolo iainana dia nanokanana andro iray avy isan-taona mba hanajana azy. Ny manahirana amin'ireny fankalazana ireny dia mijanona eo amin'ny kabary sy ny sary fahatsiarovana na fampirantiana ny hetsika. Maro ireo ezaka ataon'ny tsirairay, ataon'ny fikambanana ary indrindra ny mpitondra sy ny fanjakana, ezaka ho fikarakarana ny tranobe iombonana. Katesizy momba ny tontolo iainana, iarahana amin'i P. Jean Louis Rakotomanantsoa.
Notendren’ny Papa Léon faha-14 ho eveka mpanampy ho an’ny Arsidiosezin’Antananarivo, androany 26 jona 2025, i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana, izay Vikera jeneraly eto Antananarivo.
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco