Sabotsy 11 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe: “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.” — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 15, 1-3. 11-32)

Evanjely mitantara ny zaza mpandany na ny marimarina kokoa, ilay Ray mpamindra fo. Lazain’i Masindahy Lioka fa nangataka ny anjara lovany ilay zandriny. Raha ny lalàna dia tsy afaka mahazo ny lova ny zanaka raha tsy maty ny ray aman-dreny. Nolazain’ny mpanoratra ny Evanjely àry fa tsy ny fitakiana ny anjarany fotsiny no fitakiana ny lova eto fa ny fitakiana kosa ny te hiaina malalaka ny tsy helingelenin’ny ray aman-dreny, efa heverina ho maty .Ny ampahatelon’ny lova no nalainy ary dia nolaniany tamin’ny fitondran-tena ratsy sy ny vehivavy janga araka ny voalazan’ilay zokiny. Rehefa voatery hiandry kisoa izy dia nahatsiaro fa ny mpiasan’ny rainy aza mbola miadana noho izy (voky hena). Fantany fa tsy mendrika teo anatrehan’ny lanitra sy teo anatrehan’ny rainy izy, tsy manana zo hitaky na inona na inona intsony. Fantany koa ny fitiavan’ny rainy saingy tsy te hanararaotra izany izy. Araka ny lalàna dia afaka mandroaka azy ny rainy, afaka manameloka azy mihitsy aza satria nanosihosy ny zon’ny fianakaviana. Tsy naniry afa-tsy ny ho mpiasa anefa ilay zaza mpandany.

Ilay rainy kosa nahatazana azy vao lavitra dia honena nidodododo nitsena azy (niazakazaka ilay lehilahy lehibe fa tsy misy lehilahy lehibe miazakazaka izany fa sady mahamenatra), tsy sasatra ny niandry ny hiverenany. Namihina ny vozon’ilay zanany ilay rainy (nianjera teo amin’ny vozony), entina milaza fa niantehitra tamin’ilay zanany izy satriny hijoro ho andry iankinany. Nasain’ny rainy nomena ny akanjo tsara indrindra izy sady nasiana peratra ny rantsan-tanany, izany hoe naverina tamin’ny hasina maha zanaka azy, satria efa very hasina. Nasiana kiraro ny tongony, tsy andevo na mpanompo izy fa zanaka. Novonoina ny omby nafahy, izany hoe tsy fety mahazatra fa fety lehibe satria io omby io dia efa fotoana ela no nofahanana mba hanaovana fety.

Ilay zokiny kosa, satria mihevitra fa tambin’ny asa sy ny fahendrena ny fitiavana, tsy te halala intsony ny momba ilay zandriny, tsy rahalahiny intsony ho azy. Io zanakao io, hoy izy tamin-drainy. Saingy ho ilay ray be famindram-po kosa, fety mandrakariva ny fiverenan’ny zanany na inona na inona hadisoany, satria lazainy fa ny fibebahana ho an’ny Fiangonana sy ny zanak’Andriamanitra ve ny fiverenan’ny zanany.

Voaantso isika rehetra mba hanahaka ny hatsarampon’ny Ray. Hahay hibanjina izany endrik’Andriamanitra fitiavana izany anie isika, ka hahay hiala amin’ny fanaranam-po mahazatra ka hitombo fitiavana sy faniriana ny zavatra maharitra mandrakizay. Ho zary hafaliana mandrakariva ho antsika anie ny fibebahana sy ny fiverenan’ny zanany hody ao an-tranon’ny rainy.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...