Alakamisy 9 marsa 2023 — Herinandro faharoa amin'ny Karemy — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)

Ilay mpanankarena sy i Lazara midika hoe novonjen’Andriamanitra, anarana manambara fa ilay mahantra dia tsy adinon’Andriamanitra akory, porofon’izany ny nampiakarany azy ho eo ampofoan’i Abrahama. Ary ilay mpanankarena kosa dia ao anatin’ny fijaliana no niandrandra ka nahita an’i Abrahama mitrotro an’i Lazara. Any amin’ny afobe ampianarin’ity Evanjely ity fa tsy hoe akory nanao ratsy ilay mpanankarena na nangalatra, nangady lavaka izy ho hantsana manelanelana azy sy I Lazara. Ny hadisoany dia ny tsy fitsinjovany ilay nohasoavin’Andriamanitra, hadinony ny adidy napetrak’Andriamanitra taminy (Iz 58, 7)

Lazain’i Lioka fa izay ampieboeboin’ny haren’ny tany dia tampina ny masony ka tsy hahita torohevitra homen’ny lalàna sy ny Mpaminany intsony. Izay harena tsy hikatsahana ny lalàn’ny Tompo dia tsy maharitra.

Inona àry ny fijaliana mampahory ilay mpanakarena? Efa zatra nihinana izy kanefa eto dia tsy nangataka zavatra betsaka (fromage, crevette, sakafo be). rano kely hakasika ny lelany monja no nagatahany satria mangetaheta izy, ary tsy hetaheta vetivety ihany fa hetaheta mandrakizay. Tara loatra ny fahatsapany ny tena harena ka tsy mba nanangona ho amin’ny mandrakizay fa nandanilany foana ny fananany. Loza ho anareo mpanankarena hoy i Jesoa (Lk 6, 24)

Na eo aza ny fijaliany dia eo ihany koa ny ahiahiny momba ireo rahalahiny dimy mbola miriaria any ambonin’ny tany, sao sanatria hamery ny fiainany toa azy koa ka hanenina mandrakizay. Mazava ny valintenin’i Abrahama ilay Rain’ny mpino, tsy Andriamanitra akory izy fa olombelona ihany saingy misolo vava an’Andriamanitra : izay tsy te hahavery ny fiainany dia manana ny lalàna sy ny Mpaminany hanoro lalana azy ho amin’ny fibebahana. Efa voasoratra ao amin’ny Mpaminany avokoa ny zavatra rehetra mikasika an’i Jesoa (Lk 18, 31).

Manana an’i Moizy sy ny mpaminany isika ka tsy hiandry ny maty hitsangana vao hibebaka. Efa napetra’Andriamanitra amintsika avokoa ny fahasoavana ka anjarantsika ny mampiasa izany. Ho haintsika anie ny mampiasa ny fahasoavana omen’Andriamanitra antsika fa io no hampisy heviny ny fiainantsika. Hitondra vokatra amin’ny andavanadrom-piaianatsika anie ny fahasoavan’Andriamanitra.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...