Vakiteny voalohany
Bokin’i Jeremia Mpaminany (Jer. 17, 5-10)
Ho voaozona ny olona mitoky amin’olombelona; fa hohasoavina izay mitoky amin’ny Tompo.
Izao no lazain’ny Tompo:
“Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona,
sy manao ny nofo ho sandriny,
ary miala amin’ny Tompo ny fony!
Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy,
ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany;
honina amin’ny tany karankaina any an’efitra,
any amin’ny tany sira, tsy misy mponina!
Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo,
sy manantena ny Tompo ho tokiny!
Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy,
mandatsaka ny fakany mankany amin’ny rano mandeha;
tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro,
sady maitso ravina mandrakariva;
tsy manahy izay taona fahamainana izy,
ary tsy mitsahatra ny mamoa.Mamitaka mihoatra ny zavatra rehetra ny fo,
sady simba: iza no hahalala azy?
Izaho Tompo izay mandinika ny fo,
sy mamantatra ny voa;
ary ny hanaovako izany,
dia mba hamaly ny olona araka ny lalany,
sy araka ny vokatry ny asany.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo (Sal. 1, 1-2. 3. 4 sy 6)
Sambatra ny olona manao ny Tompo ho tokiny.
Endrey ny hasambaran’ny olona
tsy manaraka ny hevitry ny ratsy fanahy,
tsy mandeha amin’ny lalan’ny mpanota
na monina amin’ny fonenan’ny mpaneso;
fa ny lalàn’ny Tompo no sitrany:
ny lalàny no saininy andro aman’alina.
Toy ny hazo maniry amoron-drano velona izy,
mamokatra ara-potoana, tsy malazo ravina;
izay rehetra ataony, mahomby avokoa!
Tsy mba toy izany ny ratsy fanahy:
fa mova tsy akofa paohin-drivotra.
Fa ny lalan’ny olo-marina, fantatry ny Tompo;
ny lalan’ny mpanota kosa, mamery!
Evanjely
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.
Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 16, 19-31)
Ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana; koa ankehitriny, mba azy ny fanalana alahelo fa anao ny fijaliana.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa niteny tamin’ny Farisianina nanao hoe:
“Nisy mpanankarena anankiray niakanjo jaky sy rongonim-bazaha madinika,
sady nanao fihinanam-be isan’andro.
Ary nisy koa mahantra ferena anankiray atao hoe Lazara
nivalandòtra teo am-bavahadiny.
Naniry hihinana ny sombin-kanina latsaka tamin’ny latabatr’ilay mpanankarena izy,
fa ny alika avy no tonga ka nilelaka ny feriny.
Ary maty ilay mahantra ka nentin’ny anjely tany an-tratran’i Abrahama;
dia maty koa ilay mpanankarena ka nalevina.
Tao amin’ny fitoeran’ny maty, ilay nijaly iny izy, dia niandrandra,
ka tazany teny lavitra teny i Abrahama sy i Lazara teo an-tratrany,
ka niantso izy nanao hoe:‘Ry kiaky Abrahama ô! mamindrà fo amiko,
mba iraho kely re i Lazara handroboka ny loha fanondrony ao anaty rano
mba hampangatsiatsiaka ny lelako ahay,
fa mijaly loatra aho eto anatin’ity lelafo ity.’Fa hoy i Abrahama taminy:
‘Anaka, tsarovy fa tamin’ny andro niainanao,
ianao moa nahita soa ary i Lazara kosa nozoim-pahoriana:
koa ankehitriny kosa mba azy ny fanalana alahelo, fa anao ny fijaliana.
Sady amin’ireto toerantsika ireto,
dia misy hantsana makadiry natao hanelanelana antsika,
ka izay te-hiala aty hankany aminareo tsy afaka;
ary izay eny kosa tsy afaka miampita aty.’Dia hoy izy:
‘Mihanta aminao re aho, ry kiaky,
mba iraho kely i Lazara ho any an-tranon-draiko
(fa manan-drahalahy dimy aho),
mba hilaza aminy ny marina,
fandrao tonga amin’itony fitoerana fijaliana itony koa izy ireo.’Fa hoy i Abrahama taminy:
‘Manana an’i Môizy sy ny Mpaminany izy ireo,
ka aoka hihaino an’ireo izy.’Fa hoy izy:
‘Tsia re, ry kiaky Abrahama ô!
fa raha anankiray amin’ny maty no mankany aminy,
dia hibebaka izy.’Fa hoy i Abrahama taminy:
‘Raha tsy mihaino an’i Môizy sy ny Mpaminany izy,
dia tsy hino na dia misy mitsangan-ko velona aza.’”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.