Boky Eksaody (Eks. 14, 5-18)
Tamin’izany andro izany,
dia nilazana ny mpanjakan’i Ejipta fa hoe lasa nandositra ny vahoaka.
Tamin’izay dia voaova ny fon’i Faraôna sy ny mpanompony, ny amin’ny vahoaka fa hoy izy ireo:
“Naninona ity isika no nandefa an’i Israely handeha,
ka namoy ny fanompoany antsika?”
Dia nasain’i Faraôna nasiana soavaly ny kalesiny ary nentiny niaraka taminy ny vahoakany.
Ny nentiny dia kalesy voafantina eninjato sy ny kalesy rehetra tao Ejipta,
samy nisy mpifehy avy.
Nohamafisin’ny Tompo ny fon’i Faraôna, mpanjakan’i Ejipta,
ka nanenjika ny zanak’i Israely i Faraôna,
ary tamin’ny tanana voasandratra no nivoahan’ny zanak’i Israely.
Koa nanenjika azy ny Ejipsianina ary nahatratra azy
teo akaikin’ny ranomasina izay nitobiany;
nahatratra azy teo akaikin’i Fihahirôta,
tandrifin’i Beelsefôna avokoa ny soavaly mpitarika kalesin’i Faraôna
sy ny mpitaingin-tsoavaly mbamin’ny tafiny rehetra.
Nony mby akaiky i Faraôna, natopin’ny zanak’i Israely ny masony,
dia indreo tamy nanaraka azy ny Ejipsianina,
ka raiki-tahotra mafy ny zanak’i Israely sy velon-taraina tamin’ny Tompo.
Ary nanao tamin’i Môizy hoe:
“Tsy misy fasana va tany Ejipta,
no dia nentinao ho faty atý an’efitra izahay?
Ahoana izao nataonao taminay izao ka navoakanao tany Ejipta?
Moa tsy itony indrindra va no nilazanay taminao tany Ejipta hoe:
Avelao ihany izahay hanompo ny Ejipsianina
fa tsaratsara kokoa ho anay ny manompo azy toy izay ho faty any an’efitra.”
Fa hoy kosa i Môizy tamin’ny vahoaka:
“Aza matahotra fa mipetraha tsara eo ka zahao ny famonjen’ny Tompo anareo anio;
fa ireo Ejipsianina hitanareo anio ireo, tsy ho hitanareo intsony mandrakizay.
Ny Tompo no hiady ho anareo,
fa ianareo mipetraha tsy amin’ahiahy.”
Ary hoy ny Tompo tamin’i Môizy:
“Nahoana no mitaraina amiko ianao?
Ilazao ny zanak’i Israely mba hiainga.
Ianao manaingà ny tehinao sy maninjira ny tananao eo ambonin’ny ranomasina
dia hampisaraka roa azy;
ary ny zanak’i Israely kosa hamaky eo afovoany mandia tany maina,
ary Izaho hanamafy ny fon’ny Ejipsianina hanarahany azy ireo avy aoriana,
ary hataoko miharihary ny voninahitro ao amin’i Faraôna sy ny tafiny rehetra,
mbamin’ny kalesiny ama-mpitaingin-tsoavaliny.
Ka ho fantatry ny Ejipsianina fa Izaho no Tompo,
rahefa hanehoako ny voninahitro i Faraôna
sy ny kalesy ama-mpitaingin-tsoavaliny.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Salamo : Eks 15, 1-2. 3-4. 5-6
Hihira ho an’ny Tompo aho
fa efa naneho ny voninahiny Izy.
Nariany any an-dranomasina ny soavaly
sy ny mpitaingina azy.
Ny Tompo no heriko sy fototry ny tononkirako,
Izy no namonjy ahy.
Izy no Andriamanitro ka hankalazaiko,
sady Andriamanitry ny raiko, ka hoderaiko.
Mpiady mahery ny Tompo.
Mahefa ny zava-drehetra ny Anarany.
Ny kalesy aman-tafik’i Faraôna navariny an-dranomasina;
ny kapiteny voafantina natelin’ny ranomasina Mena.
Natelin’ny rano ireny;
nilentika any amin’ny farany ambany izy ireo.
Tompo ô, nigagàna noho ny heriny ny tananao havanana,
Tompo ô, nanorotoro ny fahavalo ny tananao havanana.
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio,
fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 38-42)
Tamin’izany andro izany,
ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna sy ny Farisianina namaly an’i Jesoa nanao hoe:
“Tompo, mba te-hahita famantarana avy aminao izahay.”
Fa namaly Izy ka nanao hoe:
“Mangata-pamantarana ity taranaka ratsy sy mpijangajanga ity
fa tsy homena famantarana hafa afa-tsy ny an’i Jônasa mpaminany izy;
fa tahaka ny nitoeran’i Jônasa hateloan’andro sy hateloan’alina
tany an-kibon’ny hazandrano lehibe
no hitoeran’ny Zanak’Olona hateloan’andro sy hateloan’alina
ao anatin’ny tany koa.
Ny olona tany Niniva hitsangana hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy,
satria nibebaka izy ireo nony nitorian’i Jônasa teny;
nefa indro misy lehibe noho i Jônasa eto.
Ilay mpanjakavavy avy any atsimo hitsangana
hanohitra ity taranaka ity amin’ny andro fitsarana
ka hanameloka azy;
fa niala avy tany amin’ny fara vazan-tany izy
ka nankaty hihaino ny fahendren’i Salômôna,
nefa indro misy lehibe noho i Salômôna eto.”
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Boky Fahendrena (Fah. 12, 13. 16-19)
Tsy misy Andriamanitra hafa afa-tsy Ianao ihany,
izay mitandrina ny zavatra rehetra,
mba hahenoana fa tsy manao fitsarà-mitanila Ianao.
Fa ny fahefanao dia fanorenan’ny fahamarinana:
ary noho Ianao Tompon’ny olona rehetra,
no itondrànao azy rehetra amim-pamindram-po.
Izay tsy mino ny fahefanao tsitoha no anehoanao ny herinao;
ary izay mahalala an’izany dia ataonao mangaihay amin’ny hasahiany.
Fehezin’ny sitra-ponao ny herinao,
ka mitsara amin-kamoram-po Ianao,
ary mitondra anay amim-pamindram-po lehibe;
satria eo aminao ny fahefana rehefa tianao.
Ny nanaovanao izany no nampianaranao ny vahoakanao,
fa tokony ho antra olona ny marina;
sy nampidiranao fanantenana mahafaly amin’ny zanakao,
fa raha manota izy, omenao andro hibebahany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Sal. 85, 5-6. 9-10. 15-16a
Tsara sy mpamela heloka Ianao, ry Tompo,
ho fitiavana an’izay miantso Anao!
Mampandria sofina amin’ny fivàvako,
ho tandrinao ny feoko mitaraina.
Ny firenena rehetra dia voaarinao:
hiankohoka eo anoloanao izy, ry Tompo.
Eny, hanome voninahitra Anao,
fa lehibe sy mahefa zava-mahagaga Ianao;
Ianao manko no Andriamanitra,
Ianao irery dia Ianao irery!
Ianao, ry Tompo Andriamanitra,
mpamindra fo sy mpiantra,
tsy mba malady vinitra Ianao,
be fitiavana sy fahamarinana.
Mba todiho maso aho,
ka iantrao, ry Tompo.
Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma (Rôm. 8, 26-27)
Ry kristianina havana,
ny Fanahy no manohana ny fahalementsika,
satria na izay mety angatahintsika aza tsy fantatsika,
fa ny Tenan’Izy Fanahy ihany no mangataka
amin’ny fitarainana tsy hay lazaina;
ary Izy mikaroka ny fo no mahalala izay irìn’ny Fanahy,
sy ny fifonany araka an’Andriamanitra ho an’ny olomasina.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-43)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny voan-tsinapy
izay nalain’ny olona ka nafafiny tany an-tanimboliny.
Kely indrindra amin’ny voan-javatra rehetra izy,
fa rehefa nitombo kosa,
dia lehibe noho ny anana rehetra, ka tonga hazo;
dia avy ny voro-manidina mipetraka ao amin’ny rantsany”.
Ary nanao fanoharana hafa taminy koa Izy nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lalivay,
izay nalain’ny vehivavy anankiray
ka nataony tao amin’ny koban-dafarìna intelon’ny famarana
mandra-pahazon’ny lalivay azy rehetra”.
Fanoharana no nilazan’i Jesoa izany rehetra izany tamin’ny vahoaka,
ary Izy tsy niteny taminy afa-tsy tamin’ny fanoharana,
mba ho tanteraka ny tenin’ny Mpaminany manao hoe:
“Hiloa-bava hilaza fanoharana Aho,
ary hanambara zavatra izay miafina hatramin’ny nanaovana izao tontolo izao”.
Tamin’izay, nony efa nampody ny vahoaka Izy, dia mba nody,
ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe:
“Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy”.
Ary namaly Izy ka nilaza taminy hoe:
“Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’olona;
ny tanimbary dia izao tontolo izao;
ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana;
ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy;
ny fahavalo izay namafy azy, dia ny devoly;
ny taom-pijinjana dia ny fahataperan’izao tontolo izao;
ary ny mpijinja dia ny Anjely.
Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo,
no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.
Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’olona,
ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra
hiala amin’ny Fanjakany,
ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra:
any no hisy fitomaniana sy fikotroha-nify.
Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro
any amin’ny Fanjakan’ny Rainy.
Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Aleloia. Aleloia.
Hataoko sakaiza ianareo, hoy ny Tompo,
satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Raiko.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 24-30)
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanao fanoharana tamin’ny vahoaka nanao hoe:
“Ny Fanjakan’ny lanitra dia mitovy amin’ny lehilahy
izay namafy voa tsara tamin’ny taniny;
fa raha natory ny olona, dia tonga ny fahavalony,
ka namafy voan’ahi-dratsy tamin’ny vary, dia lasa.
Nony naniry ny vary ka niteraka,
dia nitranga koa ny ahi-dratsy.
Dia avy ny mpanompon-dralehilahy nanao hoe:‘Tompoko, moa tsy voa tsara va no nafafinao tao amin’ny taninao,
ka nahoana no tonga misy ahi-dratsy koa?’Fa hoy ny navaliny hoe:
‘Ny fahavaloko no nanao izany’.
Ka hoy ireo mpanompony taminy:
’Tianao va ny handehananay hiava azy?’
Hoy izy:
‘Tsia, fandrao ongotanareo mbamin’ny vary,
raha manongotra ny ahi-dratsy ianareo.
Avelao hiara-maniry izy roroa ambara-piavin’ny fijinjana;
fa raha tonga ny taom-pijinjana,
dia holazaiko amin’ny mpijinja hoe:
Ongoty aloha ny ahi-dratsy,
dia fehezo amboarany mba hodorana,
ary angony ho any an-tsopitro ny vary’”.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
22 jolay 2023 — Sabotsy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
21 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
20 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)
19 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)
18 jolay 2023 — Talata, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 20-24)
17 jolay 2023 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy ka ho tian’ny Raiko ary hankao aminy izahay, ka honina ao aminy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 10, 34 — 11, 1)
16 jolay 2023 — Alahady Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona A — Ny Teninao, ry Tompo, no fahamarinana; ankamasino amin’ny fahamarinana izahay — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-23)
♦ Lasa raharahan'ny samy mpanam-bola ny firotsahana ho fidiana ho Filoham-pirenena, amin'ity taona ity, hoy ny Antoko VHT. Nampakarina ho 20 tapitrisa Ariary, anto-bolan'ireo kandidà, araka ny tapaky ny Governemanta... ♦ Nikatona ny biraon'ny CNaPS rehetra nanomboka androany, noho ny fitokonan'ny mpiasa. Mbola tsy hanao afa-tsy fiandrasan-draharaha anatiny izy ireo rahampitso... ♦ Efa manomboka miverina ny rano amin'ny faritra iva, taorian'ilay fahatapahana tamina toerana maromaro teto an-drenivohitra...
♦ Manaraka akaiky ny zava-misy eto Madagasikara ny IDC-CDI, fikambanana iraisam-pirenena miara-miasa amin'ny antoko Malagasy Miara-Miainga. Mbola betsaka ireo fanamby miandry an'i Madagasikara amin'ny lafiny demôkrasia hoy izy ireo... ♦ Mikasa ny hanondrotra saran-dalana ireo mpandraharaha misehatra amin'ny fitanterana amin'ny zotra nasiônaly sy ireo filohan'ny Kaoperativa. Nisy ny dinika nataon'izy ireo ka manodidina ny 10% izay fisondrotana izay... ♦ Niakatra ny taham-pahafahana fanadinana CEPE manerana ny nosy, farany teo. Nahatratra 76% izany tamin'ity taona 2023 ity... ♦ Lasibatry ny ora-mikija ny faritra avaratr'i Inde. 60 mahery no maty vokatry ny tondra-drano sy ny fihotsahan'ny tany...
♦ Tsy hanova ny tanjona efa napetraky ny CENI amin'ny fikarakarana ny fifidianana ny fihenan'ny vola ho ampiasainy... ♦ Ho entina amin'ny fihaonambe nasiônalin'ny FFKM izay hatao eto Antananarivo ireo angon-kevitra voarainy avy amin'ireo mpisehatra pôlitika... ♦ Nilaza omaly ireo mpiasan'ny CNaPs fa misy ny tsindry amin'ny fanendrena izay ho tale jeneraly vaovao. Hikatona moa ny CNaPs manerana ny nosy anio alakamisy... ♦ Nifarana omaly ny fihaonana an-tampon'ny OTAN notanterahana tany Vilnius any Lituanie. Diso fanantenana ny filoha Ukreniana volodymyr Zelensky...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco