Vakiteny voalohany
Boky Eksaody (Eks. 12, 37-42)
Izany alina izany, no namoahan’ny Tompo an’i Israely tamin’ny tany Ejipta.
Tamin’izany andro izany,
niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta;
sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy.
Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy,
mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be.
Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta;
fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta
ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.
Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta;
ary rahefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra,
dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafiky ny Tompo rehetra.
Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta,
ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo,
ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.
Setriny
Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15
Fa mandrakizay ny famindram-pony.
Isaory ny Tompo fa tsara!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nahatsiaro antsika nijaly,
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony,
sy nisarika antsika tamin’ny mpampahory!
Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an’i Ejipta: dia ny Lahimatoany!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Sy namoaka an’i Israely teo aminy;
eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
tamin’ny tana-mahery sy sandry mihinjitra!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nampandalo an’i Israely teo anivony;
eny, mandrakizay ny famindram-pony!
nanipy an’i Faraôna sy ny tafiny tao!
Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Evanjely
Aleloia. Aleloia.
Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.
Aleloia.
Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 14-21)
Norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy mba ho tanteraka ny teny nolazainy.
Tamin’izany andro izany,
i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata.
Ka lasa nivoaka ny Farisianina
ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy.
Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo.
Maro ny vahoaka nanaraka Azy,
ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny;
nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy,
mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe:
Indro ny Mpanompoko izay nofidìko,
dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra;
hapetrako ao aminy ny Fanahiko,
ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy.
Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy,
ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana;
tsy hanapaka ny volotara vaky izy,
na hamono ny lahin-jiro manetona,
ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy;
ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.
— Izany àry ny tenin’ny Tompo.