21 jolay 2023 — Zoma, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Omeo fahalalàna aho, ry Tompo, hitandremako ny lalànao, ary hanarahako azy amin’ny foko tontolo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 12, 1-8)
Ry kristianina havana! Hatrany hatrany ireto Farisianina ireto dia tsy mitsahatra manara-maso sy mitsikilo ny an’i Jesoa sy ireo mpanara-dia azy. Tsy finiavana tahaka ny hafa hoe liana ny Vaovao Mahafaly ny azy ireo ka manaraka Azy etsy sy eroa fa dia ny hitsikilo foana. Hany ka raha vao misy fihetsika kely tsy mifanaraka amin’izay eritreretin’izy ireo dia manakiana foana izy ary tonga dia i Jesoa mivantana no anaovany izany fanakianana izany. Izany no hita eto amin’ity Evanjely norenensintsika teo ity. Ireto Jody ireto dia anisan’ny fatra-pitandrina sy manaja fatratra ny lalàna ka ankoatra ny fivavahana sy ny fifandian-kanina ao amin’ny Tempoly dia notandremany toy ny anandriamaso koa ny sabata. Tsy ratsy akory izany, fa izany aza no tena amporisihina antsika. Mbola mitoetra foana ny didin’Andriamanitra fa nofehezin’i Jesoa amin’ny tena fitiavana marina ireo ao amin’ny Testamenta Vaovao. Araka izany, tena mitondra antsika amin’ny fitiavana marina ve io fanajana ny lalàna tahaka ny ataon’ny Jody io, satria tsy izany ny azy ireo no miseho eto ka mahatonga an’i Jesoa mamaly azy ireo amin’ny Tenin’Andriamanitra. Hadinon’izy ireo fa ambony lavitra noho ny lalàna Andriamanitra izay fitiavana ary mampanjaka ny tena fitiavana sady mizara ho antsika maimaim-poana izany fitiavana izany. Manafoana ny lalàna ny fitiavana hoy i Masindahy Paoly ka io tena fitiavana marina io no tokony ezahantsika hiainana sy hampanjakaina hatrany. Noho izay maha fitiavana an’Andriamanitra izay dia Ray miahy antsika zanany Izy ary manaja ny fahalalahantsika no sady miahy ny aina. Izany no antony namerenan’i Jesoa tamin’izy ireo ny nataon’i Davida sy ny nampahatsiahivany ny tenin’i Osea mpaminany hoe: “Ny famindram-po no sitrako fa tsy ny sorona”. Porofon’ny fitiavany izany famindram-po izany. Tiany hamafisina fa ny famindram-pon’Andriamanitra sy ny fitiavany dia tsy miankina amin’ny fanaovan-tsoa sy ny lalàna nataon’olombelona. Ary ambon’izany dia tsy eken’i Jesoa ny lalàna izay mandrendrika ny olona sy tsy manaja ny zo aman-kasina ka tsy hitandrovana ny aina fa manitsakitsaka azy.
Ny fankamasinantsika ny alahady no sabata tenenin’ny Tenin’Andriamantra eto ka ilazan’i Jesoa fa Izy no Tompon’ny sabata satria tokoa Izy maty fa nitsangan-ko velona no ankalazaintsika amin’io fankamasinantsika ny alahady io. Didin’Andriamanaitra io fa na izany na tsy izany ankalazantsika ny misterin’ny Paka nanavotan’Andriamanitra antsika tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanany noho ny fitiavany antsika koa aoka tsy ny maha didy azy no mibaiko antsika hankamasina ny alahady sy hitandrina izay mety ho fepetra mifanaraka amin’izany fa noho izay fitiavana antsika lehibe izay ka mahatonga antsika handeha hisaotra sy hanome voninahitra Azy. Amin’ny maha kristianina antsika dia aoka ho izay toe-po amam-panahy vonona hisaotra sy hanome voninahitra an’Andriamanitra izay noho ireo fahasoavana maro omeny antsika isan’andro no entintsika manompo azy amin’ny fanajantsika ny alahady fa tsy sanatria fisehosehoana na toy ny adidy na didy tsy maintsy hatao. Izany indrindra no hanentanana ny ankizy sy ny tanora mba tsy ho lasa baiko na didy tsy maintsy atao io fa tena fitiavana vokatry ny fitiavan’Andriamanitra antsika ny hankalazantsika an’Andriamanita amin’ny andro alahady. Rehefa ao amintsika izay fanehoam-panajana an’Andriamanitra izay dia hitia sy hanaja ny olona mitovy amintsika koa isika ka tsy hanao tsinontsinona ny hafa na ny aina fa hitandro izany mandrakariva.
Jesoa Tompo ô! Ampio izahay hitandro sy hikatsaka mandrakariva izay mahasoa ny mpiara-belona aminay toy ny fitiavanao anay ka tsy ny hamono fa hahavelona ny aina mandrakariva no katsahinay na ho anay na ho an’ny hafa fa izany no tena fitiavana. Amen!