19 jolay 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 25-27)

Ry kristianina havana! Mampita hafatra lehibe amintsika indray i Jesoa amin’ny alalan’i Masindahy Matio manoratra ny Evanjely amintsika androany. Ny vavak’i Jesoa no tantarainy amintsika teo ary hisintonany ny saintsika hifantoka ary haka tahaka izay nataon’i Jesoa. Tsy i Matio ihany no mitantara ity vavak’i Jesoa ity fa ireo mpanoratra hafa koa dia manamafy izany ary ny fomba filaza no samihafa fa ny vontoatin’ny vavaka ataon’i Jesoa dia mitovy avokoa. I Jesoa manao vavaka fisaorana ny Ray ary manao tatitry ny iraka ataony, izay ilazany fa tsy misy fiantraikany amin’ireo miavonavona ny fampianarany sy ny hafatra apetrany amin’ny fitoriana.

Nilaza momba ny fibebahana isika omaly ka nahatonga an’i Jesoa niteny mafy an’ireo mponina amin’ireo tanàna nolalovany tsy nibebaka noho ny toriteny nataony sy ny fahagagana maro. Voalazantsika omaly ihany koa fa anisan’ny tanjon’ny fitoriana atao ny fibebahana ary hamafisina hatrany izany. Anisan’ny fibebahana tsara indrindra àry ny vavaka, ary mampianatra antsika amin’izany i Jesoa. Ao amin’ny toko faha-6 amin’ny Evanjeliny i Masindahy Matio, mitantara ny fampianaran’i Jesoa milaza amintsika hoe “raha mivavaka ianareo dia manaova toy izao…”. Atoron’i Jesoa antsika ny tokony hataontsika rehefa mivavaka satria manampy antsika hibebaka izany. Io vakiteny io dia famaky matetika rehefa vanim-potoanan’ny karemy. Eto àry, voalohany indrindra dia manome fampianarana lehibe ho antsika i Jesoa, satria tsy mitarika antsika hivavaka na mamporisika antsika fotsiny izy, fa izy mihitsy no mivavaka. Tokony hivavaka mandrakariva ary matetika toa azy koa isika.

Iza àry, no ambaran’i Jesoa fa hendry sy be saina eto? Ireo tsy mba manana toe-po mahay manetry tena fa manambony tena sy miavonavona ary mihevitra ny tenany tsy ho ambanin’ny hafa, no tian’i Jesoa tenenina eto, ary anaovany tatitra ao amin’ny vavaka asandrany amin’ny Ray, fa tsy ny olona toa an’ireny no tokony hahalala ny tsiambaratelon’ny fanjakany. Io fanjakana io izay fanjakan’ny fitiavana, fanjakan’ny madinika ary fanjakan’ny fiadanana. Ataontsika ahoana no manana io toetra tsotra, mahay manetry tena ary malemy fanahy maneho fitiavana mandrakariva io? I Jesoa no manana io toetra io ka ezahantsika hatao fakan-tahaka mandrakariva. Azo antoka ho antsika ny Fanjakan’ny lanitra reha miaina izany isika. Raha ny zava-misy iainantsika ankehitriny no jerena, dia sarotsarotra ho antsika ny manana izany toetra izany, noho ny rivo-pifaninanana mitsoka amin’ny tontolom-piainana ankehitriny, satria mihazakazaka mankany amin’izay fanatontoloana izay ny olona maro, ka ireo toetra fototra maneho ny maha kristianina antsika ireo dia takona ka lasa adino tanteraka. Aoka àry isika, hiezaka mandrakariva hibanjina an’i Jesoa ary haka tahaka azy amin’io fahatsorana io, mba hahafahantsika mahalala ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fitiavany ka hiainantsika sy zaraintsika amin’ny hafa.

Jesoa Tompo ô! Tanjona tokana no himasoanay manara-dia anao ety amin’ity tany fandalovana ity, dia ny fanjakanao; koa ampio izahay tsy ho rendrika amin’ny fiainana iainan’izao tontolo izao fa hibanjina anao mandrakariva. Ianao ilay fitaratra sy fakan-tahaka ho anay. Misaotra Anao izahay manome anay ohatra tsara. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 3 mey 2024

♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...