20 jolay 2023 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahadimy ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 11, 28-30)

Ry kristianina havana! Rehefa avy nivavaka nisaotra ny Ray i Jesoa, ary nanao tatitry ny vokatry ny iraka nataony, indrindra ireo vonona handray Azy sy ireo tsy mandray fa miavonavona omaly, dia indro Izy fa mitodika amin’ireo rehetra vonona ny hanaraka azy sy handray ny Teniny: “Mankanesa aty amiko ianareo…”. Efa iarahantsika mahalala ny hazofijaliana nentin’i Jesoa namonjena antsika izay niafara tamin’ny fahafatesany fa nitsanganany ho velona kosa. Fitaratra ho antsika izy amin’izany ary mampianatra antsika hitondra ny hazofijaliana amin-kamoram-po sy amim-pahalemem-panahy. Miantso antsika izy eto hanatona azy ary hanakambana ny fijaliantsika aminy mba hanomezany antsika fanamaivanana.

Maro amintsika tokoa no mitondra hazofijaliana, ary samy manana ny fijaliana manandrify azy avy ny tsirairay fa tsy voatery mitovy io. Amin’ireny fijaliana ireny dia misy ny fijaliana vokatry ny hetraketraky ny fiainana; misy ny fijaliana vokatry ny hasomparan’ny hafa; misy ny fijaliana noho ny natiora fa misy ihany koa ny fijaliana vokatry ny ataontsika na ny tandrevaka ataontsika ihany. Sitrak’Andriamanitra anefa ny fahaizantsika milanja ireny anjara fijaliantsika ireny. Tsy sanatria maniry ny hijaliantsika Andriamanitra fa ny fiadanana ho antsika aza no hirariany fa ny mba hiombonantsika amin’i Jesoa Zanany no hiantsoany antsika handray anjara amin’izany hazofijaliana izany. Izany no mahatonga an’i Jesoa hiantso antsika hanatona azy raha mahatsapa isika fa manana izay entana mavesatra na manana hazofijaliana mianjady amintsika izay fa hanamaivana antsika Izy.

Izany antson’i Jesoa amintsika hitondra ny hazofijaliana hiombona aminy izany dia mba ho fanatanterahantsika ny sitrapon’Andriamanitra. Fomba iray anisan’ny tena mahomby hikatsahantsika ny tena hasambarana sy fiadanana. Fomba tsotra ary mahafehy ny endri-piainana rehetra na ho an’ny mpianany na ho antsika io antson’i Jesoa io dia ny Fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana ka ny Fitiavana an’Andriamanitra no jioga lazainy eto ary ny fitiavana ny namana no hazofijaliana asainy entintsika. Ary manome modely ho antsika i Jesoa amin’izany fitondrana ny hazofijaliana izany: izay ilay lazainy hoe mianara amiko. Aoka anefa isika ho mailo satria ankehitriny dia maro ireo ravina atentina sy fakam-panahy misarika antsika hikatsaka fahasambarana sy fiadanana tsy tena izy fa sarisariny sy mandalo ihany. Tsy manampy antsika hikatsaka ny tena fahasambarana miaraka amin’i Jesoa izany. Ny fijaliana hiaretantsika no handraisantsika valiny dia ilay fahasambarana any aoriana, fa raha toa ka mandositra ny fijaliana na mitady fomba tsy hilanjana ny hazofijaliana isika dia mitady lalana makany amin’ny fahaverezana ihany koa; koa aoka isika hianatra an’i Jesoa satria zokintsika izy ary zoky mitondra antsika amin’ny lalana marina ary manoro antsika izany lala-marina izany.

Jesoa Tompo ô! Maro tokoa ankehitriny ny hazofijaliana miseho eo amin’ny fiainanay zanak’olombelona. Zandrinao izahay koa ampio hahay haka tahaka anao Zokinay ka hanana ireo toetra nanananao ho entinay mitondra izay hazofijaliana manandrify anay ary hiezaka hanatona sy tsy hahasaraka anao mba hitondranao fanamaivanana sy fanampiana ho anay. Amen!

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...