Tsy misy fahotana afaka mamafa ny endrik'Andriamanitra ao amin'ny olombelona ; na ao anatin'ny fahalemena aza isika olombelona dia tsy misy mahasaraka antsika amin'Andriamanitra. Isika dia saribidy eo anoloan'Andriamanitra fa tsy ny fahotana.
Andriamanitra dia fitiavana tsy misy fetrany ka mitso-drano antsika isan'andro, toy ny ray aman-dreny tsy mahafoy ny zanaka tiany... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.

♦ Miisa 29.978 irao olona mpilatsaka ho fidiana voarain'ny OVEC miisa 120, hatramin'ny androany... ♦ Mila mitandrina ny mpampahalala vaovao amin'izao antain'ny zotram-pifidianana izao, manolona ny vaovao tsy marina miparitaka eny amin'ny fiaraha-monina sy ny tambajotra sôsialy... ♦ Tsy eken'ny RMDM, izay mety ho fikasana hanemotra indray ny datim-pifidianana, sy ny mety hisian'ny hala-bato amin'ny fahafahana mampiasa “ordonnance”...

3 ôktôbra 2024 — Alakamisy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo, satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 10, 1-12)

2 ôktôbra 2024 — Ny Anjely Mpiambina — Fahatsirovana — Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)

♦ Kaominina Ambohimanga Rova : Tsy manaiky ny hanatanterahana ilay tetik'asa fanamboarana ny lalam-be mikodàna ireo mponina avy amin'ny Fokontany miisa 7 voakasika amin'izany, hitohy rahampitso indray ny fitokonana ataon'izy ireo... ♦ Ireo fanadinam-panjakàna ho amin'ity taom-pianarana 2024-2025 ity : tanterahina ny 17 jona ny fanadinana CEPE 6éme, raha ny 30 jona hatramin'ny 3 jolay 2025 ny fanadinana BEPC 2nd... ♦ Manentana ny vehivavy rehetra hanara-maso ny toe-pahasalamana hisorohana ny aretina homamiadan'ny nono sy ny vozon'ny tranon-jaza, ny Fondation Akbaraly sy ny Association Fitia...

Vakiteny voalohany

Boky Eksaody (Eks 23, 20-23a)

Indro aho maniraka Anjely eo anoloanao.

Izao no lazain’ny Tompo:

“Indro Aho maniraka anjely eo alohanao,
hiaro anao eny an-dalana sy hahatonga anao any amin’ny toerana nomaniko.
Mitandrema tena eo anatrehany ary henoy ny feony;
aza manohitra azy, fa tsy hamela ny fandikanareo ny didiny izy,
satria ny anarako no ao aminy.
Fa raha mihaino ny feony kosa ianao, ka manao izay rehetra holazaiko,
dia ho fahavalon’ny fahavalonao Aho, sy ho rafin’ny rafinao.
Fa mandeha eo anoloanao ny anjeliko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal 90, 1-2. 3-4. 5-6. 10-11

Fa Izy handidy ireo Anjeliny, ny aminao, mba hiambina anao amin’ny lalanao rehetra.

‘Zany izaho raha mialokaloka ao an-tranon’Ilay Avo,
velon-toky tsy manahy fa alofanao, ry Tompo!
“O, ry Tompo fialofako sy mandako, hoy aho”
Andriamanitra itokiako marimarina tokoa.

Fa ny Tompo no mpanafaka amy fandrika mandavo
sy manakana, manohana fiadiana mety hamono.
Eo ambanin’ireo elany no anaronany anao.
‘Zay matoky tsy manahy fa efa tsara fambombana!

Ary ‘zany fahamarinany moa ts’ilay fiarovan-tratra:
Na raha alina ka tojo ‘rony amboa manao andia, na antoandro mifanehatra amim-borona mahery!
Na misoko te handringana amin’ny haizina ny loza.
Tsy hangovitra, tsy hatahotra, tsy hihontsona ianao.

Ka ny tena tsy mba tran’irony loza mahafaty;
‘zay antambo koa tsy hiditra ny trano itoeranao!
Fa nomeny baiko manko ny anjeliny rehetra
mba hanampy anao ho tody soa aman-tsara an-tranonao!

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaora ny Tompo, ry Tafiny rehetra, izay mpanompo mpankatò ny sitrany.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 18, 1-5. 10)

Mahita mandrakariva ny Tavan’ny Raiko izay any an-danitra ny Anjelin’izy ireny.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny mpianany ary nanao taminy hoe:

“Iza moa no ambony indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra?”

Dia niantso zazalahy kely anankiray i Jesoa ka napetrany teo afovoany, ary hoy Izy:

“Lazaiko marina aminareo fa raha tsy miova ianareo ka tsy tonga tahaka ny zazakely,
dia tsy hiditra amin’ny fanjakan’ny lanitra akory.
Koa amin’izany na iza na iza hanetry tena tahaka ity zazakely ity,
dia izy no lehibe indrindra amin’ny fanjakan’ny lanitra.
Ary izay handray zazakely anankiray tahaka ity amin’ny Anarako, dia mandray Ahy koa.
Tandremo sao ataonareo tsinontsinona na dia ny anankiray amin’ireny madinika ireny aza;
fa lazaiko aminareo fa ny Anjelin’izy ireny any an-danitra
dia mahita lalandava ny tarehin’ny Raiko izay any an-danitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

1 ôktôbra 2024 — Talata, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Ampahafantaro ny lalan’ny lahatrao aho, mba hisaintsainako ny asanao mahagaga — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 51-56)

30 septambra 2024 — Alatsinainy, Herinandro Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, ry Ray, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 9, 46-50)

♦ Solontenan'ny Vondrona Afrikana eto Madagasikara : Tsy mitsabaka amin'ny raharaha anatin'ny firenena ary manaja ny fiandrianam-pirenena Malagasy araka ny fanambarana navoakan'izy ireo omaly... ♦ Iray andro mialoha ny hikatonan'ny fandraisana ny antontan-taratasy ho an'ireo kandidà maniry ny handray anjara amin'ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolon-tsaina, mbola misy 400 eo ireo kaominina tsy manana kandidà... ♦ Hatsaraina sy havaozina ny drafitr'asa mirakitra ny paik'ady ho an'ny faditseranana Malagasy, miditra amin'ny andro faharoa anio ny fankan-kevitra momba izany tanterahina eny amin'ny Ibis Ankorondrano... ♦ Any Etats-Unis : Fiaramanidina roa no nifandona teny an'habakabak'i Californie ny alahady teo...

29 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)

I Kristy no tso-drano lehibe avy amin'Andriamanitra. Ny fanantenan'izao tontolo izao dia ny tso-dranon'Andriamanitra. I Kristy no fara-tenin'Andriamanitra izay teny soa, izay fitiavana manafaka antsika amin'ny fahotana. Hoy Md Paoly : isaorana anie Andriamanitra nitso-drano, tamin'ny alalan'ny Jesoa Kristy izay tso-drano faran-tampony... Katesizy momba ny tso-drano, iarahana amin'i P. Philippe Ranaivoarisoa.

♦ Hatsaraina sy havaozina ny drafitr'asa mirakitra ny paikady ho an'ny fandintseranana malagasy. Tanterahana eto Antananarivo mandritra ny telo andro nanomboka androany ny atrikasa fakan-kevitra momba izany... ♦ Mihazakazaka manatitra ny antontan-taratasy firotsahan-ko fidiany amin'ny fifidianana Ben'ny Tanàna sy Mpanolotsaina ireo maniry ho kandidà. Roa andro mialoha ny daty farany dia 2.400 mahery ireo efa nametraka ny antontan-taratasiny any amin'ny OVEC amin'ny kaominina 1.281... ♦ Miofana mandritra ny tapa-bolana eny Vontovorona ireo teknisiana sy mpikaroka momba ny aretina tazomoka...

Miara-dàlana] Alatsianiny 29 septambra 2025

• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...