29 septambra 2024 — Alahady Tsotra fahenina amby roapolo Mandavantaona — Sokafy ny fonay, ry Tompo, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Marka (Mk. 9, 37-42. 44. 46-47)

Azo tarafina amin’ity Evanjely naroso tamintsika teo ity, amin’izao Alahady tsotra faha-26 mandavan-taona B izao, ny santionan’ireo kilema mpahazo antsika ka mila mibebaka amin’izany. Tratran’ny fitiavan-tena sy hasaro-piaro amin’ny asa nanirahana an’i Jesoa ny mpianany teto ka nandrara ny hafa izay nanao izany tsy tao anaty fiombonana amin’izy ireo. Matetika mantsy mahamaika antsika olombelona ny mikombona amin’ny tenantsika fotsiny fa tsy mivelatra amin’ny hafa ka izay fianakaviana na ny sakaiza na ny mpinamanamana ihany no miaraka. Tadiavina amin’izany ny ho ahy. Toy ny salobon-komana izany ka tsy mety. Ahitsin’i Jesoa izany fomba fisainantsika olombelona izany ka tarihiny hijery ny hafa isika. Aza mailaka ny hanaratsy ny hafa fa diniho izay nataony. Mazava ny tenin’i Jesoa eto: “Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika”. Tsy voatery ny antsika ihany no marina fa mety misy fahamarinana ihany ny an’ny hafa. Azo atao tsara koa mantsy ny hahatonga ireny hafa ireny hiombona amintsika. Tsy mety re ny mifanaratsy na mifanenjika na mifandrafy, indrindra raha samy milaza fa mpanara-dia an’i Kristy.

Ankoatra izany, tohizin’i Jesoa ny teniny: mba hahaizantsika mifampitsinjo sy mifanampy: “Na iza na iza hanome rano eran’ny kapoaka anareo amin’ny Anarako, satria an’i Kristy ianareo, dia lazaiko marina aminareo fa tsy ho very valisoa izy”. Izany hoe tsy voatery ho zavatra lehibe fa na kely fotsiny ihany aza ho an’ireo mpianatr’i Kristy dia tsy ho very valisoa izy. “Izay tia tokoa mahafoy” ary arakaraka ny hizarana no hahazoana ihany koa. Etsy andanin’izany, tsy mety ny mifanafintohina na dia “ny anankiray amin’ireny madinika mino Ahy ireny” aza, hoy i Jesoa, fa zava-doza ny vokany, izay hahazo azy. Tsy ny tady sy ahitra mbamin’ny vato eny antokontany ihany no mampianjera, fa ny fihetsika ataontsika, indrindra ny teny, tena mety hanafintohina lavitra aza. Fa eto indray misy rantsam-batana lazain’i Jesoa, mety hitarika antsika ho tafintohina: ny tanana, ny tongotra, ny maso! Iza amintsika moa no tsy mbola tafintohina tamin’ireo, izany hoe mitondra antsika amin’ny fakam-panahy saingy tsy mbola nisy nanapaka izany, na dia ireny mpanaraka ara-bakiteny izay voalaza ao amin’ny Baiboly aza. Koa tsy ara-bakiteny loatra no tiana hambara eto fa ny fifehezana ny tanana, ny tongotra, ny maso tsy hahatongavana amin’ny ratsy, na fihetsika, na izay aleha, na fijery izany. Mitarika antsika amin’ny fahotana mantsy ireny. Ka aoka hahay hampiasa azy ireny amin’ny tsara re. Sady zavaboarin’Andriamanitra ve moa ho ratsy. Raha atao indray mipoaka dia aoka hamafisina ny fifehezan-tenantsika. Mila mifanampy isika amin’izany ka hifanohintohina sy hifanohatohana!

Fetin’ireo Arakanjely Misely, Gabriely, Rafaely izao ka enga anie isika ho tena Zanak’Andriamanitra fitiavana, hanahaka Azy, hanana ny heriny, noho ny batemy noraisintsika, ary hahita fanafana hialana amin’ny fahotana mpahazo antsika, noho ny vavaka ataon’ireo Arakanjely ireo.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 18 nôvambra 2024

  • Nifarana ny 15 nôvambra 2024, ny Fihaonamben'ny Ekipan'ny Aumônerie Catholique des Prisons, izay notanterahana teny amin'ny Cénacle Ambohipo...
  • Nosokafana sy notokanana ny 17 nôvambra 2024, ny Distrika vaovao ao amin'ny EKAR Ave Maria Ampandroantsiriry, ao amin'ny Diôsezin'i Toamasina...
  • Voalahatra handalo fotsiny izao rehetra izao, fa i Kristy no mitoetra mandrakizay. Io no votoatin'ny fampianaran'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus, ny 18 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...