Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
♦ Nanomboka androany ny fivoriana tsy ara-potoana faharoan'ny Andrim-panjakana mpanao lalana eto Madagasikara. Lahadinika miisa dimy no voafaritra anatin'ny fivoriana, isan'izany ny fandaniana ny volavolan-dalana mifehy ny famatsiam-vola sivifolo sy efajato tapitrisa dolara, avy amin'ny Banky Iraisam-pirenena... ♦ Hitombo avo roa heny ny mpanjifan'ny orinasa JIRAMA ao anatin'ny dimy taona. Ny mpanjifa izay velon-taraina indray manoloana ny fidangan'ny faktioran'izy ireo tato ho ato...
♦ Mitaky ny hivoahan'ny marina momba ny raharaha fikasàna hamono ireo olom-panjakàna ambony eto amin'ny firenena ny Antenimieram-pirenena, nasongadin'ny filohany izany androany maraina... ♦ Mandrahona hampiakatra saran-dalana ireo mpitatitra amin'ny zotra nasiônaly, indrindra amin'izao fialan-tsasatra izao... ♦ Hisy fiandrasan-draharaha eny anivon'ny Ôfisin'ny bakalôrea hatramin'ny alahady izao ; lamina izy ity , mba hitsinjovana ireo mpiadina tsy nahazo taratasy fiantsoana...
♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa ho an'ireo parlemanta mpanao lalàna. Fivoriana hankatoavana ilay famatsiam-bola 490 000 000 dolara nindramina tamin'ny banky iraisam-pirenena... ♦ Hitory any amin'ny fitsaràna ny sendikàn'ny Polisy SEFPONAM, raha tsy voavaha ny olana nanagiazana ny fitaovan'izy ireo. Manome fe-potoana herinandro, hamoahana ireo fitaovam-piasany ny birao nasiônaly... ♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry omaly ilay mpanakanto Aloma, zanak'i Henri Ratsimbazafy...
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco