Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: "Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy"; fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: "Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika." Ary hoy ny navaliny azy: "Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho." Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: "Tompo ô, vonjeo aho!" Nefa novaliany hoe: "Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa." Ary hoy ravehivavy: "Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao." Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 13 jolay 2026

• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...