Tamin’izany andro izany, i Jesoa nankany amin’ny faritanin’i Tira sy i Sidôna. Ary indro nisy vehivavy kananeanina anankiray nivoaka avy tamin’izany tany izany niantsoantso mafy nanao hoe: "Mamindrà fo amiko, ry Tompo, Zanak’i Davida, fa ampijalian’ny demony mafy loatra ny zanako vavy"; fa tsy namaly azy i Jesoa na dia indraim-bava aza. Dia nanatona niangavy taminy ny mpianany nanao hoe: "Roahy izy fa mikiakiaka manaraka antsika." Ary hoy ny navaliny azy: "Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho." Fa nanatona ihany ravehivavy ka niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe: "Tompo ô, vonjeo aho!" Nefa novaliany hoe: "Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa." Ary hoy ravehivavy: "Marina izany, Tompoko, nefa ny amboakely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany." Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: "Ravehivavy, lehibe ny finoanao, aoka ho tanteraka aminao araka izay irìnao." Dia sitrana tamin’izany ora izany ihany ny zanany vavy.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...