♦ Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoana faharoa ho an'ireo parlemanta mpanao lalàna. Fivoriana hankatoavana ilay famatsiam-bola 490 000 000 dolara nindramina tamin'ny banky iraisam-pirenena... ♦ Hitory any amin'ny fitsaràna ny sendikàn'ny Polisy SEFPONAM, raha tsy voavaha ny olana nanagiazana ny fitaovan'izy ireo. Manome fe-potoana herinandro, hamoahana ireo fitaovam-piasany ny birao nasiônaly... ♦ Misaona ny tontolon'ny zava-kanto malagasy. Nodimandry omaly ilay mpanakanto Aloma, zanak'i Henri Ratsimbazafy...

[Miara-dàlana] Zoma 17 oktobra 2025

• Hampafantarina amin'ny fomba ofisialy ny alahady 9 novambra 2025, ny Baiboly Masina Katolika misy fanazavana... • Manatanteraka fihaonambe maneran-tany any Argentine, ny Lahika Karismatika Orionista... • Loharanon'ny fanantenana sy ny fahafenoana ny fitsanganan'i Kristy ho velona, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fampianarany nandritra ny Audience générale ny alarobia lasa teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...