Alarobia 4 aogositra 2021 — Herinandro fahavalo ambin'ny folo mandavantaona — Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 15, 21-28
Vehivavy jentily, tsy jody, nivoaka tamin’ny tany nisy azy, sahy niantsoantso, nitady famonjena tamin’i Jesoa, lazaina fa jody, hanasitrana ny zanany vavy ampijalian’ny Demony. Natao hampifanatona tokoa i Jesoa ka nandrava ny hantsana sy ny rinidrin’ny fisarahana. Natao hampiray ny tsy mitovy hevitra sy firehena ary fomba mamam-panao Izy, ny tsy mitovy volon-koditra sy tanindrazana, ny tsy mitovy firazanana sy firarazana, ny tsy mitovy saranga sy kolontsaina, ny tsy mitovy loko politika sy antoko ary ireo maro tsy voatanisa eto. Rava sy potika ary torotoro avokoa izany rehetra izany rehefa eo amin’Izy Kristy. Tsy nahasakana ity vehivavy ity ny elanelana misy taminy sy i Jesoa. Hikiaka mitady famonjena ny azy. Toa antsika izy ka miraparapa, tsy mahita izay hombana rehefa misy mampijaly na mahaporitra mafy, na tsy ny tena mivantana aza fa izay akaiky amin’ny tena, toy ny zanaka na vady na iray tampo na ray aman-dreny. Azo ianteherana tsara amin’izany Andriamanitra. Izy fa tsy ny zava-boariny.
Mbola hitantsika eto indray ny toetran’ny mpianatra, tsy mihevitra afa-tsy ny tenany, tsy misokatra amin’ny hafa, hany ka mandroaka, manala hiataka amin’ny Tompo, manilikilika, manavakavaka, mampizarazara, manamafy ny efa voalazantsika andro vitsivitsy lasa izay. Fa ny an’i Kristy Andriamanitra kosa : mamonjy, manangona, mampiray, tsy manavaka ; eny, na tsy tonga dia namaly nivantana aza Izy fa nanara-bolon-tany aloha ka niteny hoe : "Tsy nirahina afa-tsy ho an’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely Aho." Koa isika samy zanak’Andriamanitra, mpiray tampo ka ifanao ankolafiny sy ifanavakavaka ? Aoka ho lavitra an’izany isika. Ny biby aza tia ny miara-miaina aminy afa-tsy izay vao tonga na vahiny ; ka mainka fa isika olombelona, sady vita batemy ? Mbola ambony lavitra. Koa aza maniry midina toa rambon’omby, na miondri-matoy toa akondro !
Tsy nihanona tamin’izany valin-teny izany Ravehivavy, fa mbola nanatona Azy ihany sy niankohoka teo anatrehany, ary nanao hoe : "Tompo ô ! vonjeo aho !" Tsy hoe ny zanany ihany no nilàny famonjena eto fa ny tenany mihitsy, satria iray aina aminy io zanany io. Kanefa vao mainka nahazo valin-teny maharary mihitsy aza hoe : "Tsy mety raha ny mofon-jaza no alaina ka atsipy ho an’ny amboa." Indraindray mandalo sedra ny fanatonana ny Tompo. Tsy nahakivy an-dravehivavy anefa izany na nahasakana azy tsy hahazo izay nangatahiny. Tsy mora tohina izy na nitsoaka an-daharana na nitsoa-pahana, toy ny sasany, noho ny antony maro samihafa, dia voatery ajanona na avela amin’ny andraikitra tanana na lalana izorana na tsy ampandrosoina amin’ny sakramenta avy hatrany fa mbola miandry kely aloha na koa itakiana ezaka kely, dia misy mirintona avy hatrany, fa nitambezo hatrany, tsy nanamarin-tena fa nietry tena teo anatrehan’Andriamanitra ravehivavy ka sahy niteny hoe : "Marina izany, Tompoko, nefa ny amboa kely mba mihinana ny sombintsombiny latsaka avy amin’ny latabatry ny tompony ihany." Lehibe ny finoany ka azony izay nangatahany. Fa izay manetry tena no asandratra. Izay mahay mangataka sy mitambezo amim-panetren-tena ka tsy manery anefa no mahazo valiny. Aiza ho aiza amin’izany ny finoantsika : misomidika ambony toa menaka sa latsaka anaty toa tsoka ? Mora manidina toa akofa sa miraraka ambany toa akotry ?
Fetin’i Masindahy Jean-Marie Vianney, Curé tao Ars, mpiaro ny pretra izao ka mivavaka ho an’ny pretra rehetra isika, indrindra ireo mankalaza ny tsingerin-taona nanamasinana azy. Amen.