Tsy tokony hihanona amin’ny fanabeazana sy ny fikolokoloana ny ankizy ny olon-dehibe, fa tokony hianatra ihany koa ny fahatsorana sy fanetren-tena ananan’izy ireny. Arahantsika ny tohin’ny katesizin’ny Papa François, miaraka amin’ny fanazavana ataon’i P. Fenohasina Dorysse Randrianjatovo.

Talata 04 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 21-43 — Mahatoky ny lahatrao, ry Tompo, ary mafy orina mandrakizay alaovalo.

Alatsinainy 03 febroary 2020 — Herinandro fahefatra mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 5, 1-20 — Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon'ny Tompo.

Ny fahasamihafana fototra naharian'Andriamanitra izao tontolo izao dia mila tsarovana, mila fohazina. Na ny nahariana ireo tontolo mineraly tsy miaina, na ny nahariana ireo zava-manan'aina sy biby isan-karazany ; indrindra indrindra ny nahariana ny olombelona.

[Miara-dàlana] Zoma 21 jona 2024

♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...