Nandefa taratasy tany amin'i Don Bosco ny renim-pianakaviana iray fa marary mafy efa am-bavahoanan'ny fahafatesana ny zanany vavy. Tonga tany aminy i Don Bosco, ary nanasa ilay renim-pianakaviana mba hivavaka mandritra ny telo volana. Kivy be ilay renim-pianakaviana saingy rehefa tapitra ny fe-potoana nolazain'i Don Bosco, dia gaga sy talanjona izy fa tena sitrana tokoa ny zanany vavy.

Alahady 02 febroary 2020 — Ny nanolorana ny Tompo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 2, 22-40 — Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr'i Israely olonao.

Marary mafy efa tsy mahatsangana eo am-pandriana intsony i ramatoa Marguerite renin'i Don Bosco. Manindry mandry azy ny hahafatesany, ary ny tena manahiran-tsaina mafy azy indrindra, dia ny amin'ireto taizany izay efa niraiki-po tanteraka tamin-dreniny, kanefa dia ho kamboty tokoa raha tonga ny andro hahafatesan'i mama Marguerite.

Sabotsy 01 febroary 2020 — Herinandro fahatelo mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 4, 35-40 — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny làlanao; ary tariho ho amin'ny làla-mahitsy aho.

[Miara-dàlana] Zoma 21 jona 2024

♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...