♦ 158 no isan'ny olona voatily ho mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara... ♦ Ahemotra ny fisoratana anarana amin'ireo fanadinam-panjakana, CEPE sy ny BEPC ary ho an'ny Sampana teknika... ♦ Miantraika amin'ny fiainana ara-tsôsialin'ny mponina sy ny toe-karena ny fampiharana ny fihibohana hoy solombavambahoaka voafidy tao Toamasina voalohany, Famindra Justin...

Tsy mitovy lanja amin’ny Sakramentan’ny fampihavanana ny famelàna mandritra ny vavaka fifonana amin’ny litorjia, fa manome antsika ny hevitry ny famindram-pon’Andriamanitra tsy misy fepetra.

Zanaka mpivarotra enta-majinika tao amin'ny tanàna antsoina hoe : Ambatomainty i Dera. Sendra nividy zavatra tao aminy i Vola indray andro no toy ny nilatsaham-baratra izy nahita ity zazavavy niditra ny tsena. Teo no nanomboka ny tantaran'i Dera sy Vola.

Alakamisy 07 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 13, 16-20 — Nahita Ahy ianao ka nino ; fa sambatra izay tsy nahita ka mino.

[Miara-dàlana] Zoma 21 jona 2024

♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...