Zoma 19 febroary — Zoma manaraka ny lavenona — Mibebaha ianareo, hoy ny Tompo, fa efa akaiky ny Fanjakan’Andriamanitra — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 9, 14-15

Na i Joany, na ny farisianina dia samy olona nalaza avokoa ary samy nanaraka antsakany sy andavany ny lalàna jody. Anisan'izany lalàna izany ny fifadian-kanina. Ny fifadian-kanina dia fomba ara-pivavahana entina hanehoana fifonana sy fitalahoana amin'ny Tompo mba hanafahany ny vahoakany. Mahagaga noho izany ny fihetsik'ireto mpianatr'i Jesoa, izay jody, nefa tsy manaraka ny fomba iraisan'ny maro. Mahagaga sy mampametra-panontaniana ihany koa, satria ny lalàna dia tsy hoe vao noforonina tamin'izany andro izany akory ; ary tsy nataon'olona fa azo avy amin'Andriamanitra, ka noraiketina mba harahin'ny fara aman-dimby ; ka mahasarotiny ny Jody ny tsy fanarahana azy.

Ny valin-tenin'i Jesoa tamin'ireo olona nanontany Azy anefa dia mitondra azy ireo lavidavitra kokoa : "Moa mahazo misaona va ny zanaky ny mpampakatra raha mbola eo aminy ny mpampakatra ?" Oharin'i Jesoa amin'ny andron'ny fampakaram-bady izay androm-piravoravoana sy anaovana fety ny fotoana iarahany amin'ireo mpianany. Izany tenin'i Jesoa izany sy ny endrim-piainana iainan'Izy sy ny mpianany dia tsy zava-baovao akory, fa fanatanterahana sy fandavoriana izay efa nolazain'Andriamanitra ny vahoaka tamin'ny alalan'ireny mpaminany teo aloha ireny. Ny fahatongavan'i Jesoa sy ny fisiany eo amin'ny mpianany dia fotoan-tsarobidy sy firavoravoana tokoa satria i Jesoa no ilay mpampakatra ary ireo mpianany izay tandindon'ny Fiangonana no ampakarina sy naman'ny mpampakatra.

Jesoa Tompo ô, Tianao hiaina ao anatan'ny hafaliana izahay manjohy izao vanim-potoanan'ny karemy izao. Koa meteza hiaraka aminay mandrakariva. Amen.

[Miara-dàlana] Zoma 22 nôvambra 2024

  • Fiofanana indroa miantaona no nataon'ireo Saleziana tanora, ny 16 hatramin'ny 22 nôvambra 2024...
  • Fanomezan-tsamy hafa sy miavaka avy amin'ny Fanahy Masina, ny fanomezam-pahasoavana manokana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nataony ny alarobia 20 nôvambra 2024...
  • Hatolotra ny tanora avy any Corée Atsimo, handray ny Andro Maneran-tany ho an'ny Tanora amin'ny taona 2027, ny Lakroa famantarana ny JMJ sy ny Icône an'i Masina Maria, ny alahadin'i Kristy Mpanjaka, 24 nôvambra 2024...
Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...