Zoma 08 mey 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-6 — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony, tsy manan-kery amin'ny intsony ny fahafatesana.

♦ Andrasana ny valin'ny fitiliana ilay vehivavy iray namoy ny ainy, na Coronavirus tokoa no nahafaty azy na tsia... ♦ Fitiliana ny Coronavirus hatrany amin'ny 10.000 no hatao any Toamasina izay ahitana tranga marobe amin'izao fotoana izao... ♦ Hihamafy ny fampiarana ireo fepetra ao anatin'izao hamehana ara-pahasalamana izao hoy ny Préfet an'Antananarivo...

♦ Manamafy ny fitandroana ny filaminana any amin'ny tapany atsimon'ny Nosy ny Tafika Malagasy... ♦ Naiditra am-ponja vonjy maika ny 04 tamin'ireo olona 25 voarohirohy tamin'ny fandraisana anjara tamin'ny fitsaram-bahoaka nihatra tamin'ny pôlisy nanao ny asany tao amin'ny fokontany Antsifotry, any Ambanja... ♦ Tsy mankasitraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra handrodana tsena sy trano amin'izao fahasahiranana mahazo ny mponina izao ny mpanolotsaina avy amin'ny Antoko TIM...

(07-05-2020) Fanabeazana ho olom-pirenena vanona ho raiamandreny sy zanaka tompon'andraikitra.

[Miara-dàlana] Zoma 21 jona 2024

♦ Navoaka amin'ny fomba ôfisialy sy fomban'ny Fiangonana androany, ireo mpiofana ho pretra sy relijiozy 14 mirahalahy amin'ny Fikambanana Salezianina Don Bosco, nahazo ny diplaoma Licence amin'ny taranja filôzôfia... ♦ Hotanterahana amin'ny 13 sy 14 jolay 2024 ny lanonana fanamasinana sy fametrahana an'i Mgr Herizo Rakotohasimbola, ho Evekan'i Maintirano... ♦ Nahatratra 105 ny fanamasinana ho pretra tany Frantsa tamin'ity taona 2024 ity...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...