Lesoka lehibe ho an'ny fivoaran'ny famokarana eny ambanivohitra ny tsy fahampian'ny teknisiana manoro lalana azy ireo momba ny haitaom-pamokarana. Antony nahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra manofana ireo tantsaha any amin'ny faritra misy azy ireo... 

Efa niresaka ireo fivoarana misy niainga tamin'ny fikarohana sy fanatsaràna nataony momba ny zezika kankana i Papa Bio. Mbola tsy afa-po nefa izy fa misy indray ny hevi-baovao sy tombotsoa amin'ny fampiasàna ny zezika kankana. Ny zezika kankana hoy Andriamatoa Ranaivoarison Bazile dia miady amin'ny bibikely manimba voly ka miantoka ny fitomboan'ny vokatra. Mahatohitra ny fanala any amin'ny faritra tena mangatsiaka ihany koa ankoatra izany ny fampiasàna zezika kankana.

Izany rehetra izany hoy Papa Bio dia tokony ho fantatry ny tantsaha saingy olana eto amin'ny firenena ny tsy fahampian'ny teknisiana mizara izany. Antony mahatonga ny fikambanana Lanja Miakatra mizara traik'efa sy fahalalana ho an'ireo mponina eny ambanivohitra. Tsy misy afatsy ny fampiasàna ny haitao ary biolojika mantsy ny antoka hampiroborobo ny fiharian'ny tantsaha eto amintsika.

Miombon-kevitra amin'izany koa Andriamatoa Rakoto Jean Pierre, mpanabe ary mpisehatra momba ny fampandrosoana. Izy izay efa nanoratra boky maro momba ny hirika ahatongavana amin'izay fivoarana izay ihany koa...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 6 oktobra 2025

• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...