Talata 09 jona 2020 — Herinandro faha-10 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 13-16 — Asehoy ny mpanomponao ny Tavanao, ary ampianaro ahy ny fitsaranao.

Tanterahina manomboka ny alatsinainy 8 jona ilay hetsika ara-barotra mandeha amin'ny tambazotra sosialy ao Vatican, antsoina hoe "We run together" na hoe "Hiara-hihazakazaka isika".

♦ Mahavelom-panantenana fa niampy 21 ireo olona sitrana soa ama-tsara, nitondra ny tsimok'aretina Coronavirus teto Madagasikara... ♦ Tonga teny Ivato ny fiaramanidina manokana nitondra ireo vehivavy Malagasy miisa 176, nampodiana, niasa tany Koweit... ♦ Havaozina hifanaraka amin'ny zva-misy eto amin'ny firenena ilay Plan Emergence de Madagascar efa teo aloha hoy Andriamatoa Holijaona Raboana...

♦ Folo no isan'ny olona nametraka ny antontan-taratasiny eny amin'ny Antenimeiram-pirenena hifaninana amin'izay hisolo ny toeran'Andriamatoa Thierry Rakotonarivo, Filoha lefitry ny CENI teo aloha... ♦ Vonona handray anjara amin'ny fanadihadiana mikasika ny fitantanana ireo fanampiana azon'i Madagasikara hiadiana amin'ny valan'aretina Covid-19 ireo Loholona...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 1 jolay 2024

♦ Hotontosaina any amin'ny Arsidiôsezin'Antsiranana amin'ny volana aogositra 2024, ny Kôngresy Eokaristika Nasiônaly... ♦ Efa ao anatin'ny fahavononana tanteraka handray ireo vahiny avy amin'ny Diôsezy manerana an'ny Madagasikara, ny Diôsezin'i Maintirano, mandritra ny fanamasinana ho Eveka any Mgr Rakotohasimbola Clément Herizo, amin'ny 14 jolay 2024... ♦ Masera enina mirahavavy, avy amin'ny fikambanana Sœurs Missionnaires de l'Évangile, no nanonona ny voady mandrakizay, tao amin'ny EKAR Masindahy Joseph Vinaninkarena, Diôsezin'Antsirabe...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...