Tamin’izany andro izany, niakatra tany Jerosalema i Jesoa fa nisy andro fety tamin’ny Jody tamin’izay. Ary any Jerosalema ao akaikin’ny vavahadin’ny ondry, dia misy dobo anankiray atao hoe Betesdà amin’ny teny hebrio, izay misy trano heva dimy. Nisy marary maro nandry tamin’ireo trano ireo. Ary nisy lehilahy anankiray narary hatramin’ny valo amby telopolo taona teo. Nony nahita azy nivalandotra i Jesoa, sady fantany fa efa ela no naharariany, dia hoy Izy taminy: "Te-ho sitrana va ianao?" Ary hoy ny navalin’ny marary: "Tompoko, tsy mba manana olona handroboka ahy amin’ny dobo aho rahefa mihetsiketsika ny rano; ka nony mba mandeha aho, dia ny hafa, no tafidina alohako." Hoy i Jesoa taminy: "Mitsangàna, ento ny fandrianao ka mandehana." Niaraka tamin’izay dia sitrana ralehilahy, ka nentiny ny fandriany dia lasa izy nandeha. Ary sabata ny andro tamin’izay. Ka hoy ny Jody tamin’ny vao sitrana: "Sabata ny andro ka tsy mahazo mitondra ny fandrianao Ianao." Fa hoy ny navaliny azy: "Ilay nahasitrana ahy no nanao tamiko hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana." Dia hoy ireo nanontany azy: "Iza moa izany lehilahy nanao taminao hoe: Ento ny fandrianao ka mandehana, izany?" Tsy nahalala Azy anefa ilay vao sitrana, fa ny vahoaka moa betsaka, i Jesoa koa niala teo. Taorian’izany dia hitan’i Jesoa tao an-tempoly ralehilahy ka hoy Izy taminy: "Indro fa sitrana ianao, ka aza manota intsony sao dia ratsy noho ny teo indray ny manjò anao." Dia lasa ralehilahy nilaza tamin’ny Jody fa i Jesoa no nahasitrana azy. Koa nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanao izany tamin’ny andro sabata Izy.