Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea. Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny. Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety. Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma, ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. Fa hoy i Jesoa taminy: "Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino!" Ka hoy ilay manamboninahitra taminy: "Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!" Dia hoy i Jesoa taminy: "Modia, fa velona ny zanakao." Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody. Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny ka nilazany fa velona ny zanany. Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany, ka hoy ireo taminy: "Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy." Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: "Velona ny zanakao", ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.