♦ Nodimandry tampoka, rehefa nitambotsitra teo am-pitarihana fanompoam-pivavahana ny Filoha Lefitry ny FLM, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Andrasana ny vokatry ny fangatahana nataon'ny fitondrana malagasy ny amin'ny hampodiana eto Madagasikara ireo volamena 73 kilao sy ireo olona voasaringotra tamin'izany, tany Afrika Atsimo... ♦ Olona 120 kosa no nisitraka Kopiam-pahaterahana tao an-tampon-tananan'i Toamasina...
Ilaina ny fifampitokisana sy ny fahaiza-mihaino eo amin'ny mpitarika sy ny mpikambana. Kanefa na inona na inona no mety ho endriky ny dinidinika nifanaovana, dia ny lehibe mandrakariva no tompon'ny teny farany, ary ny mpikambana dia manaiky amim-pinoana sy amim-pitiavana. Katesizy momba ny fanekena, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier.
Zoma 14 janoary 2022 — Herinandro voalohany mandavantaona — Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao indray tamin’ny alalan’i Kristy sy nametraka indray ny teny fampanantenana tamintsika — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 2, 1-12
♦ Mbola hitohy ny dinika amin'i Lafrantsa momba ny fitakiana ireo "Iles éparses", hoy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny androany. Efa mamarana ny fisivanana ireo Masoivohontsika any ivelany kosa ny Minisitera tantanany ankehitriny... ♦ Nodimandry tampoka ny Filoha Lefitry ny Fiangonana Loterana Malagasy, ny Pastora Velomahatombo... ♦ Voasambotra ny ramatoa mahitahita nibodo ny tanin'ny vahoaka 148 Ha, any Belambo, Disitrikan'i Toamasina Faharoa...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco