♦ Nihemotra i Madagasikara tao anatin'ny telo taona raha ny famakafakana nataon'ny antoko Vahoaka Miray. Olana ny tsy fihenoan'ny mpitondra ny fanehoan-kevitry ny olom-pirenena, hoy Gaby Vakiniadiana... ♦ Tsy nisy ny politika fiahiana ny mpiasa malagasy hoy ny Sendika FISEMARE. Tombana naton'izy ireo tao anatin'ny telo taona... ♦ Mihanaka ny valan'aretina Covid any amin'ny faritra avaratr'i Madagasikara. Ny 12 tamin'ny fitiliana 120 natao tao anatin'ny 24 ora no miabo...
♦ Hihamafy ny rotsak'orana amin'ny Faritra maro hatramin'ny faran'ny herinandro raha toa ka somary hihena izany ho an'ny Faritra Analamanga ; tsy hisitraka rotsak'orana ny faritra atsimon'ny nosy... ♦ Miato ny fampianarana rehetra amin'ireo sekoly anatin'ny faritra mena sy mavo manerana ny nosy hoy ny MInisteran'ny fanabeazam-pirenena... ♦ Maherin'ny 12.000 ny isan'ny traboina noho ny rano miakatra eto Antananarivo, 2.400 mahery ny trano dibo-drano...
Fanontaniana tonga ao an-tsaina ny hoe : inona atao hoe masina?. Ny masina dia madio mangatsakatsaka, tsy misy azo am-pitahaiina aminy, tsy manan-tsahala, lavorary, tokana. Aoka ho masina tahaka an'ny Rainareo izay any an-danitra ianareo. Katesizy momba ny fandanjalanjana ny antson'Andriamanitra, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
Alakamisy 20 janoary 2022 — Herinandro faharoa mandavantaona — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko ry Tompo, ary ny lalanao no aoka hanenika ahy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 7-12
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco