♦ Hihena ny rotsak'orana ho an'ny faritra Analamanga siangy mbola hitohy hatrany izany hatramin'ny faran'ny herinandro. Hihamafy ny any amin'ny Faritra hafa hoy ny météo Malagasy... ♦ Miato hatramin'ny zoma izao ny fampianarana any amin'ireo faritra mena sy mavo voasokajy ho tandindomin-doza amin'ny rotsak'orana... ♦ Miara-mientana hanatratra ny fanamby amin'ny fampiakarana ny vokatra ny sehatra tsy miankina sy ny fanjakàna malagasy...
♦ Afaka mitroka sy mamoaka rano hatrany amin'ny 9m3 isaky ny segondra iray ireo paompy 3 lehibe eny amin'ny station de pompage eny Ambodimita hoy ny APIPA... ♦ 60 hatramin'ny 70 eo ny fitaovam-pamokarana samihafa, hanodinana ny vokatry ny tantsaha, no nafaran'ny fitondram-panjakàna, hanampiana ny tantsaha... ♦ Nohamafisina izao fa ho raisin'i Madagasikara ny fampiantranoana ny lalaon'ny nosy aty amin'ny ranomasimbe Indiana, andiany faha-11, taona 2023...
Ny fiaraha-monina dia mifototra amin'ny fahaiza-miaina. Amin'ny ankapobeny, nahoana no tsy voaray ny fanabeazana momba ny fampanajàna ny fitsipi-pifehezana eny anivon'ny sekoly. Ny sekoly no isan'ireo sehatra afaka manitsy ny ankizy ara-pitondrantena. Ny ankohonana dia sekoly voalohany, tompon'andraikitra voalohany amin'ny fanabeazana sy fampanajàna ny fitsipi-pifehezana...
♦ Olona 10 no fantatra fa namoy ny ainy omaly, vokatry ny rotsak'orana nisy teo Antananarivo sy ny manodidina araka ny tatitra nataon'ny BNGRC... ♦ Hitohy hatrany anio sy rahampitso ny rotsak'orana ary mety mbola ho mafimafy kokoa noho ny afak'omaly sy ny omaly izany, ka tena tokony ho mailo ny rehetra... ♦ Ny fananganana orinasa ihany no vahaolana maharitra hifehezana sy hiadiana amin'ny fiakaran'ny vidim-piainana hoy ny ministra Edgard Razafindravahy...
• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco